Songadim-baovaoSosialy

FANARENANA TAORIAN’NY RIVODOZA: Marolafy ireo fanampiana nentin’ny Fitondram-panjakana tao Toliara

Goavana ny takaitra navelan’ilay rivodoza Freddy tao amin’ny renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana, andro vitsivitsy lasa izay. Ny 08 marsa teo dia efa nandefa ny Praiminisitra Ntsay Christian tany an-toerana ny Filohan’ny Repoblika nijery zava-misy sy nitondra izay fanampiana vonjy aina ho an’ny mpiray tanindrazana. Nanomboka ny sabotsy teo, tany an-toerana ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina mivady maneho firaisam-po sy fanohanana ireo niharam-boina. Nanombohan’izy ireo ny diany ao Toliara ny fizarana sakafo mafana ho an’ireo fianakaviana traboina izay mitoby ao amin’ny Lycée Antaninarenina. Fiaraha-mientana amin’ny fikambanana Fitia izay tarihin-dramatoa Mialy Rajoelina izany. Olona 900 no nizarana sakafo, ary ny Filoha mivady no nirotsaka an-tsehatra nizara izany ho azy ireo.

Nitohy tamin’ny fanolorana fanampiana vonjy ranovaky ho an’ireo traboina sy sahirana ao Toliara ny dian’ny Filoha mivady omaly. Vary 1 gony, menaka, siramamy, voamaina, lamba firakotra ary kojakoja isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavanandro no natolotr’izy ireo ho an’ireo vahoaka tonga tao amin’ny Kianja Kira tao Andaboly. Fanampin’ireo dia nahazo « kit solaire » ihany koa ny isan-tokantrano ka tsy hampiasa labozia intsony, araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha ny vahoakan’ny Toliara. Nomena moto ihany koa ireo ben’ny tanàna hahafahany manatanteraka ireo andraikitra nankinin’ny vahoaka tamin’izy ireo. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana kosa dia efa tonga ao an-toerana ihany koa ireo « ambulances » ahitana fitaovana hary fomba natolotra ihany koa ho an’ny distrikan’i Toliara I, Toliara II, Beroroha, Ampanihy ary Morombe.

Ho famahàna ny olana ao an-tampon-tanàna kosa, izay dibo-drano foana isaky ny misy rotsakorana, dia nanome toromarika ny Governora ny Filoham-pirenena ny hametrahana « système de vannes » sy « station de pompage » maromaro ao an-toerana mba hiarovana ny tanàna sy ny mponina. Amin’ny lafiny fanadiovana dia nahazo fiara vaventy mpitatitra fako miaraka amin’ny « bennes » ny tanànan’i Toliara.

Fermer