Songadim-baovaoSosialy
COVID- 19 : Miha miakatra ny tarehimarika, 52 ireo tranga vaovao
Niisa 1 361 ireo fitiliana natao teo anelanelan’ny 04 ka hatramin’ny 10 Marsa 2023 teo. Tao anatin’izany, 31 ireo tranga vaovao hita, ary 21 ireo hita tamin’ny alalan’ny “Tracing contact”, ka manome ny antontanisa 52. Teto Analamanga ny 21 tamin’ireo tranga 52 ireo, raha ny tatitra. Tao Antsirabe kosa ny 28, raha toa ka nisy tranga iray avy tao Alaotra Mangoro, Atsinanana, ary Menabe. Tsy nisy koa ny aina nafoy na ny maneho tranga misy fahasarotana, raha ny tarehimarika voaray ny faran’ny herinandro teo. Mbola miisa 48 kosa ireo manaraka fitsaboana.
Ilàna fahamalinana, araka izany, ity valanaretina ity izay manomboka mahazo vahana tsikelikely indray. Ny gripa mahery koa, etsy andaniny, mahavoa olona betsaka ankehitriny, ka mila ny fahamailoan’ny tsirairay. Ny fisehon’ireo aretina ireo rahateo dia misy itovitovizany. Azo atao tsara kosa anefa ny mampihatra hatrany ireo fepetra fisorohana mba tsy hahazoana ny aretina, dia ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony, ny fampiasana “gel”, ny fanajana elanelana, ny fanaovana arotava rehefa toerana vory vahoaka, sy ny sisa.



