Songadim-baovaoToekarena

32,6 TAPITRISA DOLARA AVY AMIN’NY FMI : Vokatry ny fangaraharan’ny fitantanana sy ny fahaiza-mitantana ny trosa

Vola mitentina 32,6 tapitrisa dolara no navoakan'ny Tahirim-bola Iraisampirenena (FMI) hanampiana an'i Madagasikara ao anatin'ny FEC na « Facilité Elargie de Crédit » andiany faha-3. Ny voalohan'ny volana marsa teo no nankatoavin'ny filankevim-pitantanan'ny FMI ny antontan-taratasin'i Madagasikara mahakasika ity fifanarahana ara bola ity.

Na dia mbola misy aza ny ezaka tokony hataon’i Madagasikara dia betsaka ireo fepetra notakian’ny Tahirim-bola Iraisampirenena no voahaja ka nitarika izao famoahana ny vola mitentina 32,6 tapitrisa dolara izao, hoy ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Vola izay andiany fahatelo anatin’ny programa « Facilité Elargie de Crédit (FEC) ». Nambaran’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison fa maro ny mason-tsivana napetraky ny FMI mba hahazoana ny famatsiam-bola. Anisan’izany ny fahaizana mitantana ny trosan’i Madagasikara, ny fanarahana ny fetra sy ny fepetra, ny tatitry ny fandaniana isam-bolana hanehoana ny mangarahara. Anisan’izany ny paikady napetraky ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola hametrahana anatin’ny tranonkalany ireo tokony ho fantatra rehetra mahakasika ny hetra. Tsiahivina fa ao anatin’ity FEC ity dia miisa 7 ny fifanarahana hatrany am-piandohana, ho azon’i Madagasikara ao anatin’ny 3 taona izay hifarana ny volana mai taona 2024. Tsy misy ady hevitra intsony mahakasika ny famatsiam-bola fa izay voasoritra hatreny am-piandohana dia tsy maintsy izay no avoakan’ny FMI, hoy ny fanazavana. Mitentina hatrany amin’ny 312 tapitrisa dolara ny fifanarahana ao anatin’ireo andiany ireo.

Nohantitranterin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola fa mpianatra mahay ihany koa i Madagasikara satria raha 800 tapitrisa dolara no trosa farany ambony azo angatahina isan-taona ka mbola tsy mihoatra an’io ny an’i Madagasikara hatreto. Nohamafisiny ihany koa fa nahitana fiakarana hatramin’ny 73% ny tahan’ny fanondranana akora toy ny “Nickel”. Azo antoka, noho izany, ny fiakaran’ny harin-karena foiben’i Madagasikara. Izany dia manaporofo fa manana toekarena miavotra ny Firenena malagasy.

Fermer