PolitikaSongadim-baovao
RINDRAMBAIKO HANDRAFETANA NY LISITRY NY MPIFIDY: Ho fantatra mialohan’ny 23 marsa ny vokatry ny fitsirihana iarahana amin’ny OIF
Mialohan’ny hanakatonana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy amin’ny Aprily izao, dia hisy ny fitsirihana voalohany atao amin’ny rindrambaiko handrafetan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ny lisitra. Fitsirihana izay iarahana amin’ny Fikambanana iraisampirenena ho an’ireo firenena miteny na mampiasa amin’ny ampahany ny teny frantsay (OIF). Mialohan’ny 23 Marsa izao no ho fantatra ny vokatry ny fitsirihana.
Mba hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny mpisehatra rehetra, mikasika ny rindram-baiko nandrafetana ny lisitry ny mpifidy sy ny vokatra azo nandritra ny fanavaozana tanteraka izany lisitra izany, dia hisy ny fitsirihana ara-kajy mirindra na audit informatique izay hiarahana amin’ny Organisation Internationale de la Francophonie –OIF, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Dama Arsène Andrianarisedo, omaly. Ho atao mialohan’ny fanakatonana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy io fitsirihana io. Amin’izany indrindra dia hanasa ireo teknisianin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ny Ceni hampahafantarana ny vokatr’izany alohan’ny 23 marsa 2023.
Nanambara ihany koa ny Filohan’ny Ceni fa mba hiantohana zotram-pifidianana azo antoka sy mangarahara dia hanatanteraka dinika hifanakalozan-kevitra izay hanasana ireo solontena avy amin’ny firaisamonina politika, avy amin’ny firaisamonim-pirenena, avy amin’ny holafitry ny mpanao gazety sy ireo solontena avy amin’ny haino vaky jery, ireo solontena avy amin’ny mpisolovava, ireo Raiaman-drenim-piangonana ary indrindra ireo avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena ny Ceni. Ny Zoma 24 marsa ho avy izao no vinavinaina hanatanterahana izany. “Manasa ireo hery velona rehetra ireo izany ny Ceni handray anjara amin’izany dinika izany mba hahalavorary ny fifidianana Filohan’ny Repoblika sy hampanjakana ny demokrasia eto Madagasikara mba ho tombontsoa ambony ny firenena”, hoy ny Filohan’ny Ceni.
Mahakasika ny tetibola hanatanterahana ny fifidianana kosa, izay mbola mahabe resaka hatrany mandrak’ankehitriny, dia nanome toky ny Filohan’ny Ceni omaly fa tsy misy ahina ny amin’izany. Efa mandeha, hoy izy, ny fifampiresahana tsy tapaka amin’ny Governemanta momba ny tetibola hanaovana ny fifidianana.
Fisoratana anaty lisitry ny mpifidy
Ao anatin’ny fanohizana ny asa mifandraika amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, nanatanteraka fanentanana mitety tanana mba hanamafisana hatrany ny fitohizan’ny fisoratana anarana eny amin’ny Fokontany ny ekipan’ny Ceni. Teny amin’ny boriborintany faha-VI no nanatanterahana izany ary nofaranana tao amin’ny Fokontanin’Ambodivonkely Ambohimanarina. Tao anatin’izany dia nidina ifotony teny amin’ity Fokontany ity ny Filohan’ny Ceni. Nandritra izany no nanamafisan’ity farany ny toromarika rehetra mba hahalavorary ny fitohizan’ny fisoratana anarana eny anivon’ny Fokontany.
Nifanindra an-dalana tamin’izao fidinana ifotony izao ny fisoratana anaran’Andrianarimanana Arohasina, izay fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Dax, mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra ary nandray anjara tamin’ny fifaninanana Champion d’Afrique des Nations (CHAN) sy amin’ny Coupe d’Afrique des Nations (CAN) ho avy izao. Araka ny fanazavany, any Mahajanga ny tenany no miasa amin’ny maha-mpilalao azy ao amin’ny klioba Fosa junior, kanefa misoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy eto amin’ny faritanin’Antananarivo. “Asa no ataoko any Mahajanga fa tsy fifindra-monina. Mbola mponina eto Ambodivonkely Ambohimanarina aho ary izay no nanatonako ny Fokontany hisoratako anarana anaty lisitry ny mpifidy”, hoy izy. Nanentana ny olompirenena ity kintan’ny baolina kitra ity, “ny mba hanatonan’ny tsirairay ny Fokontany mba hisoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy mba tsy hanenina rehefa tonga ny androm-pifidianana. Safidinao fa tsy safidin’ny hafa”, hoy izy nanohy.




