PolitikaSongadim-baovao

SITENY RANDRIANASOLONIAIKO: Manana fifandraisana akaiky amin’ny Rosiana ?

Isan’ireo mpanao politika efa mitety Faritra manomana ny fifidianana ho avy ny andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, Solombavambahoakan’i Toliara, na dia mbola tsy nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny maha kandida azy aza. Omaly, namoaka lahatsoratra manokana momba azy sy ny fifandraisany akaiky amin’ny Rosiana ny gazety « Africa intelligence ». Voambara tao anatin’izany fa ao anatin’ny fiatrehana ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy dia miandrandra ny fifandraisany akaiky ara-toekarena amin’ny fianakaviana Marius Vizer, izay Filohan’ny Federasiona iraisampirenen’ny Judo, sady akaiky ny Filoha Rosiana Vladimir Poutine, andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko.

Tsara ho fantatra fa i Marius Vizer Jr no miara-mitantana amin’i Siteny Randrianasoloniaiko ny Liberty Madagascar, efa ho folo taona izay. Mividy sy manondrana harena an-kibon’ny Tany (Chrome, mica, cuivre) sy vato sarobidy (safira, rubis, diamant) ary volamena avy eto Madagasikara no ataon’io orinasa io. Io fifandraisana akaiky eo amin’ny roa tonta io indrindra no heverina fa idiran’ny Rosiana. Ireto farany rahateo izay efa naneho fa liana amin’ny sehatry ny Harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, raha tsy hilaza afa-tsy ny fifanarahana natao tamin’ny Rosiana momba ny fitrandrahana Kraoma teto Madagasikara, ny taona 2018.

Voalaza tao anatin’ny lahatsoratra navoakan’ny “Africa Intelligence” ny tatitra navoakan’ny “organisation Global Initiative Against Transnational Organized Crime” ny 16 Febroary 2023 lasa teo, izay nilaza ny fihaonana nisy teo amin’ny Siteny Randrianasoloniaiko sy ny tompondraikitra iray eo anivon’ny Vondron-tafika rosiana “Wagner”. Tao anatin’izany tatitra izany hatrany, fantatra fa ao anatin’ity fifidianana Filoham-pirenena ho avy ity, dia miezaka mitady kandida hotohanana ny rosiana izay hahazoana tombony ara-bola sy hipotrana eo amin’ny sehatra iraisampirenena.

Ampahany ihany ireo voalaza ireo, fa maro ireo karazana tranga mampamofompofona ny fifandraisana akaiky misy eo amin’i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny Rosiana, indrindra ao anatin’ny fitantanany ny taranja Judo, tsy eto Madagasika ihany fa manerana an’i Afrika mihitsy. Raha nanontanian’ny mpanao gazetin’ny “Africa Intelligence” moa andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko dia nilaza fa efa mikatona ny orinasa Liberty Madagascar, ary nandà ny filazana azy ho mahazo ny tohan’ny Rosiana amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena eto Madagasikara. Notsindriany koa fa lafiny ara-panatanjahantena irery ihany no ifandraisany amin’i Marius Vizer. Ny ho tohin’ny tantara, noho izany, no hitsara raha mitombina ny famakafakan’ity gazety vahiny ity na tsia…

Ny Fanoratana.  

Fermer