
PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA VONTOVORONA : Fikasana hanakorontana efa nomanina
Raharaha nitana ny sain’ny maro, ary nanamarika ny faran’ny herinandro ny mahakasika savorovoro nisy teny amin’ny sekoly ambony Vontovorona. Raha tsiahivina fohy, nisy ny fitokonan’ny mpianatra niainga tamin’ny fitakiana vatsimpianarana sy ny anton-javatra vitsivitsy. Fepetra noraisin’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Oniversite avy hatrany anefa ny fanakatonana ny ESPA Vontovorona, ary ny fandefasana ireo mpianatra hiala amin’ny tranony. Fanapahan-kevitra izay tsy nitondra fitoniana velively mihitsy fa vao maika nandrehitra afo sy nahatonga korontana. Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny Profesora Assoumacou Elia Béatrice, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fandaharana “Tsy ho Tompon-trano Mihono”, fa fanapahan-kevitra noraisin’ny Filohan’ny Oniversite samirery iny nivoaka iny, fa tsy hevitry ny Minisitera na ny Governemanta. Ny fepetra fanakatonana oniversite anefa dia tsy tokony ho fanapahan-kevitra olon-tokana, fa iaraha-manapaka eo anivon’ny “Conseil d’établissement”, na Filankevitra siantifika eo anivon’ny Oniversite. Fantatry ny Filohan’ny Oniversite tsara izany saingy niniany noraisina ny fanapahan-kevitra. Azo adika ho misy finiavana hanakorontana mihitsy tao ambadik’ireny fanapahan-kevitra ireny, satria natao tao anaty fandikan-dalàna tanteraka.
Tsara ho fantatra fa misy rafitra antsoina hoe “CROUA” izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Io rafitra io no manana fahefana hanala na hanaisotra ny mpianatra mipetraka amin’ny tranon’ny mpianatra eny amin’ny Oniversite. Mbola endrika fandikan-dalàna hafa koa, noho izany, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filohan’ny Oniversite niantso ireo mpianatra hiala tamin’ny tranony.
Midika izany fa niniany natao mihitsy iny fanakatonana iny, ary efa nomanina mialoha ny ho tohiny. Tafiditra ao anatin’izany ilay fanambaran’ny fikambanan’ny mpianatra izay nilaza fa hanao hetsika raha vantany vao nivoaka iny fanapahan-kevitra iny. Fotoana fohy taorian’izay dia nihazakazaka nanao fanambarana ihany koa ingahy Ravalomanana nanameloka sy nanao karazana fitakiana ho an’ny tontolon’ny Oniversite. Dikany, efa nomanina daholo ny kisarisary mety niseho rehetra. Raha tsorina dia ny zava-nitranga tamin’ny 1972 mihitsy no nokasaina naverina, dia ny fanombohan’ny hetsika fanoherana eny amin’ny oniversite ka hiteraka fanonganam-panjakana avy eo. Mazava, araka izany, ny tanjona tiana nahatongavana tao ambadika.
Tsiahivina, fa raha ny momba ireo fitakian’ny mpianatr’i Vontovorona manokana, dia efa am-perinasa ny Minisitera mamaha ny olana. Efa noraisin’ny Minisitra tomponandraikitra ny solontenan’ny mpianatra nifampiresaka momba ireo fitakiana samihafa, ary azo ambara ho efa miverina ny filaminana eny Vontovorona.
Ny Fanoratana.




