PolitikaSongadim-baovaoSosialy
ASA VAVENTY: Asa maika ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo sy amin’ireo renivohi-paritany
Laharam-pahamehana ny fanaovana ny asa maika ho an’ny lalana eto Antananarivo sy ny renivohi-paritany sy renivohi-paritra. Efa manomboka ankehitriny ny fanamboarana raha ho an’ny eto an-drenivohitra manokana. Miara-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Minisitera amin’ny fandaminana.
Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry Rajoelina tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany taorian’ny nanendrena ireo minisitra vaovao, dia nanolotra ny drafitrasa heveriny fa laharam-pahamehana ao anatin’ny departemanta tantaniny ny minisitra tsirairay. Mamatotra ireo minisitra io drafitrasa laharam-pahamehana io izay tokony hotanterahina ao anatin’ny 6 volana ho avy. Minisitera miisa 2 indray tamin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo, no nampahafantatra ny fandaharanasa laharam-pahamehana ho an’ny departemantany. Isan’izany ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Ho an’ity farany, isan’ireo laharam-pahamehana ny fanaovana ny asa maika ho an’ny lalana eto Antananarivo sy ny renivohi-paritany sy renivohi-paritra, tahaka an’i Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Antsirabe, Ambositra, Ambatondrazaka, Fenoarivo Atsinanana, Maintirano, Antsohihy, Mananjary, Manakara, Morondava ary Ambovombe. Efa manomboka ankehitriny ny fanamboarana raha ho an’ny eto an-drenivohitra manokana. Miara-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Minisitera amin’ny fandaminana. Nanomboka omaly, dia ny faritra Ambodin’Isotry mihazo ny “aigle noir” no nisy fahatapahana, noho Ny, ny fanamboarana ny lalana. Ny Minisiteran’ny Asa Vaventy dia mametraka ny fialan-tsiny amin’ny fanelingelenana haterak’izany.
Ankoatra izay, isan’ireo laharam-pahamehan’ ny Minisiteran’ny Asa vaventy koa ny asa fanarenana ireo fotodrafitrasa vaventy eny amin’ny lalam-pirenena izay simban’ny rivodoza, amin’ny alalan’ny tahirimbolan’ny lalana (Fonds Routier) sy ny tetibola manokan’ny Minisitera (RPI). Etsy ankilany, laharam-pahamehan’ny Minisitera tomponandraikitra koa ny tsy maintsy hotanterahina koa ny fanamboarana ny tena simba na “points noirs” rehetra amin’ireo lalam-pirenena RN2, RN4, RN6 ary ny RN7. Ary ny farany dia ny fanohizana sy famitana ny lalambe migodana (autoroute) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.




