Songadim-baovao

FANONDRANANA ENTANA AN-TSOKOSOKO ANY MAYOTTE : Sambo haingam-pandeha iray sarona, teratany mahore roa tra-tehaka

Tra-tehaka ny sambo haingam-pandeha mitondra trondro 2 taonina sy solika 840 litatra tao Dzamandzar, Dar es Salaam, Nosy Be afakomaly alina. Saika haondrana any Mayotte ireo hazandrano ireo. Ankoatra izay, toaka malagasy sambo anaty gony 110 isa tra-tehaka saika hiondrana any Mayotte, sarona tao amin’ny Nosy Amparipotaka, anatin’ny distrikan’Ambanja…

Mila arahi-maso ny sambo tahaka izao.

Tsy afa-bela fa tra-tehaka ny sambo haingam-pandeha, izay nitondra trondro 2 Taonina  sy solika 840 litatra, tao Dar es Salaam,  Kaominina Dzamandzar, Nosy Be, afakomaly alina.  Araka ny fanadihadiana, sambokely ahitana milina telo,  izay 40 CV isany isany avy no saika hanondranana ireto hazandranomasina ireto ho any Mayotte. Tao anatina ala honko no nahatrarana azy io. Tsy tratra ilay Mahoré tomponandraikitra azy io, fa mpiambina no sarona tao anatin’ilay sambo. Fantatra rahateo fa ilay sambo, tsy  nanana taratasy akory. Tratra ambodiomby, araka izany, ity sambo haingam-pandeha saika hiondrana ho any Mayotte ity.  Vokatry ny fiaraha-miasan’ny CSP na ny « Centre de Surveillance des pêches » sy ny Zandary ao Nosy Be no nahazoana ny vokatra. Notarihina tamin’ny sambon’ny CSP Antendromaso ilay « coque » tratra ary nogiazana ireo fitaovana sarona, tsy manara-dalàna rehetra. Nentina avy hatrany moa ilay olona tra-tehaka, ary nogiazana avokoa ireo entana tao anaty sambo, araka ny nambaran’ny Tomponandraikitra amin’ny fanaraha-maso ny resaka fanjonoana any an-toerana. Nambara fa midadasika ny sisin-dranomasina, kanefa ny fitaovana tsy ampy. Ilaina, araka izany, ny fifanampiana sy ny fifanakalozam-baovao, mba hahafaha-miaro ny harena an-dranomasia, mba tsy ho tratran’ny fanondranana an-tsokosoko tahaka izao.

Teratany mahore roa tra-tehaka…

Ampahany amin’ireo toaka sambo saika haondrana an-tsokosoko.

Ankoatra izay, nahazo loharanom-baovao ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena fa misy sambo mikasa hiondrana an-tsokosoko ho any Mayotte. Vantany vao nahazo io vaovao io ny zandary, dia nampandre ny avy ao amin’ny Ladoany, izay nitondra ny sambo  niaraka tamin’ny zandary miisa enina, notarihin’ny Kapiteny Rachid, kaomandin’ny kaompania Nosy Be. Tonga tao  amin’ny Nosy antsoina hoe Ambaripotaka, kaominina ambanivohitra Anorotsangana, distrikan’Ambanja, afakomaly. Vokany, gony miisa 110 lasaka nahitana toaka malagasy « Sambo », izay efa saika hiondrana an-tsokosoko tany Mayotte, Rehefa nohadihadiana, dia an’i Amada, mipetraka ao Begavol, anatin’ny distrikan’Ambanja ireo entana ireo. Ity farany moa, dia efa tafatsoaka, fa tsy tratra tao an-tranony.

Mirotsaka an-tsehatra hatrany ny zandary amin’ireo karazana tsy fanarahan-dalàna.

Ankoatra izay, teratany mahore roa tsy misy taratasy ara-dalàna koa no tra-tehaka. Voalaza fa mpanjono avy any Mohéli izy ireo, kanefa miaraka amin’ny « coque » tsy misy motera, izay voalaza fa nisy tsy fahatomombanana ara-teknika, ka nilazan’izy ireo fa nentin’ny onjan-dranomasina. Nisy ny fepetra noraisina, voatery nahorona avokoa ireo entana, ary ireo roa lahy teratany mahore kosa, nentina any amin’ny birao, mba hohadihadiana. Ny afakomaly io ihany, voasambotry ny zandarin’ny Hell Ville,  ilay tompon’ny entana, antsoina hoe Amada, rehefa saika handeha hitsoaka ho any Mahajanga. Fanontaniana mipetraka, araka izany, misy ifandraisany ve ilay sambo tra-tehaka sy ireto teratany mahore tratra ireto ? Andrasana, araka izany, ny valin’ny fanadihadiana.

Fermer