PolitikaSongadim-baovao

TETIBOLA 140 MILIARA ARIARY – FIFIDIANANA: Efa hita soritra ireo mety ho loharanom-bolan’ny Ceni

Fandaniana maro, mialoha, mandritra, ary aorian’ny fifidianana, no efa voafaritra fa hampiasana ny tetibola 140 miliara ariary izay natolotry ny Ceni, ao anatin’izao fikarakarana ny fifidianana taona 2023 izao. Mametraka ny paikady hahafahan’ny Ceni misitraka io tetibola io ny Fitondram-panjakana noho izy lohalaharana amin’ny fanomezana fanampiana ara-bola ity Vaomeram-pirenena ity.

Manao tohivakana ny fanatanterahana ireo dingana rehetra hirosoana amin’ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity. Ankoatra ny fanatanterahana fitsirihana ny rindrambaiko enti-mandrafitra ny lisitry ny mpifidy izay efa mandeha mandritra ity herinandro ity, dingana efa notanterahana ihany koa ny famaritana ny tetibola enti-miatrika ny fifidianana taona 2023, dia ny fifidianana Filohampirenena izany.
Taorian’ny fanaovana tatitra ireo tetiandro tsara ho fantatra rehetra ao anatin’izao zotram-pifidianana izao, arak’izany, niroso tamin’ny fampafantarana io tetibola enti-miatrika ny fifdianana Filohampirenena io ny teo anivon’ny Ceni tamin’ny volana febroary lasa teo. Mitentina 140 miliara ariary ny tomban’ny fandaniana naroson’izy ireo.

Mpamatsy vola voalohany ny Fanjakana

Ny tsara ho fantatra mialohan’ny hirosoana ao anatin’ny ady hevitra mahakasika izany tetibola izany, dia fanambaran’ny Ceni tao anatin’ny tatitry ny asa vitan’izy ireo taona 2022 fa mijanona ho mpamatsy vola voalohan’ity vaomera mahaleotena ity ny Fitondram-panjakana. Ity farany izany no rafitra mamatsy vola azy ireo betsaka indrindra aloha hatreto. Tamin’ny taon-dasa, mitentina 894 512 000 ariary ny vola natonton’ny Fanjakana ho ao amin’ny kitapom-bolan’ny Ceni. Taorian’ny fangatahan’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra, mbola nisy ihany koa ny fanampiana vola mitentina 43 510 601 000 ariary. Io tetibola farany io dia nampiasaina tamin’ny fanamboarana sy fanarenana ny tranon’ny Ceni, ary ihany koa ampiasaina ao anatin’izao fanatanterahana ny asa fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao.

Ao anatin’izao fihomanana amin’ny fifidianana izao, arak’izany, dia mbola eo amin’izany laharana voalohany izany hatrany ny Fitondram-panjakana amin’ny fanampiana ny Ceni, hahafahany misitraka ilay tetibola 140 miliara ariary. Araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny Governemanta no sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy, nandritra ny fivahinianany  tao amin’ny Radio France Internationale (RFI) tamin’ny faraparan’ny volana febroary lasa teo hatrany, miezaka manatombo ny tetibola omena ny Ceni ny Fanjakana, raha mitaha amin’ny vola azon’izy ireo nandritra ny fikarakarana ny fifidianana Filohampirenena tamin’ny taona 2018. Noho izany, nanatombo 25 miliara ariary ny fanampian’ny Fanjakana ny Vaomeram-Pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana, entin’izy ireo manao ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Nanatombo 6 miliara ariary ny vola hanaovana ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny, ary nanome 8 miliara ariary fanampiny ny Fanjakana hanefàna ny tambi-karaman’ireo mpanisa mpifidy.

Volam-bahoaka

Mbola manamafy izany fandraisana andraikitry ny Fitondram-panjakana amin’ny fanampiana ara-bola ny Ceni izany ny fanazavana nentin’i Soava Andriamarotafika, mpampaka-teny eo anivon’io Vaomiera io. Fanazavana izay mifototra amin’ny fifandraisan’ny vahoaka, ny raharaham-pifidianana ary ny Fitondram-panjakana; ka izany no isan’ny antony iray hafa ihany koa hanamafisan’ny Fitondram-panjakana io fanampiana ny Ceni io.
Arak’izany, nohazavain’ny mpampakateny fa “Ny raharaham-pifidiana dia raharam-pirenena… Amin’izay maha raharaham-pirenena azy izay dia ny vahoaka izany no tompon-draharaha. Raha ny vahoaka kosa no tompon-draharaha dia tokony ny vahoaka izany no mandray an-tanana ny fanatanterahana azy rehetra. Singa iray amin’izany fandraisana an-tanan’ny vahoaka azy izay ny mahakasika ny resa-bola. Noho izany, volan’ny vahoaka izany no enti-miatrika ny fifidianana. Ny Fitondram-panjakana no nomen’ny vahoaka fahefana hitantana ny volam-bahoaka ka izany indrindra no antony hanamafisan’izy ireo ny fanampiana”.

Fihaonan’ny telo tonta

Tsapa tao anatin’io tetibola 140 miliara ariary nofaritan’ny Ceni io, noho izany, fa miaka-bidy hatrany ny tomban’ny filàna haroson’izy ireo. Amin’izay maha mpamatsy vola voalohan’ny Ceni ny Fitondram-panjakana izay, mavesabesatra ho azy ireo ny famatsiana io tetibola io. Ankilany anefa, tsy nivonona ny hiankin-doha amin’ireo mpiara-miombona antoka ihany koa ireo tompon’andraikitra. Noho izany, ho fitadiavam-bahaolana mahakasika izany indrindra no anton’ny fihaonana nisy teo amin’ny Ceni, ny Governemanta ary ireo mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola tamin’ny zoma 17 febroary.

Mba hisian’ny filaminana sy ny mangarahara hatrany, ary ihany koa mba ho fanatanterahana fifidianana azo antoka sy ara-drariny, araky ny tanjona napetraka, dia fantatra ankehitriny fa efa nahitam-bokatra tsara io fihaonana teo amin’ny telo tonta io. Nohazavain’i Soava Andriamarotafika fa “Efa hita soritra ny hoenti-manana entina miatrika io zotram-pifidianana io. Hakana fankatoavana any amin’ny Parlemanta amin’ny alalan’ny Tetibolam-Panjakana nasiam-panitsiana (LFR) fotsiny izany sisa”.

Arak’izany, tsy mitombona ny fanehoan-kevitra ataon’ireo vondron’olona sasany te hamboly korontana izay manambara fa tsy manana ny hoenti-manana hahafahana manao izany fifidianana izany isika eto Madagasikara ary tsy tokony mbola hirosoana ny fanaovana azy. Mbola nanamafy hatrany ny tompon’andraika fa “Izahay dia manao hoe tsy maintsy hirosoantsika ny fifidianana ary efa ao anatin’ny dingana rehetra amin’izany isika amin’izao fotoana. Mahazo manantena isika rehetra. Ary ny Fitondram-panjakana dia efa niteny fa ao anatin’ny dingana amin’ny fikirakirana ny hoenti-manana izy ireo ankehitriny”.

Endriky ny famatsiam-bola

Mbola manaporofo izany fandraisana andraikitry ny Fanjakana amin’ny fitadiavana fanampiana ho an’ny Ceni izany ny fahafantarana ny endriky ny famatsiam-bola ho azon’ity Vaomiera ity. Nohazavan’ny tompon’andraikitra fa mandeha miandalana, alefa tsikelikely, ny fahafahan’izy ireo misitraka izany. “Izany hoe tsy midika akory izany fa rehefa tsy azo amin’ity volana mars ity, ohatra, io 140 miliara ariary io dia tsy misy fifidianana azo tanterahina. Ny Lalànan’ny Tetibolam-panjakana fototra dia efa nanolotra ary efa nahazo fankatoavana ny 45 miliara ariary. Noho izany, efa azo irosoana hanaovana asa izany io vola azo io. Ny ambim-bola sasany kosa mety ao anatin’ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana mihitsy vao ho azo, ohatra, entina handoavana ny tambi-karaman’ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana”.

Mahakasika ireo mpiara-miombona antoka

Araky ny efa natsidika tany aloha dia miezaka ny hahaleotena, tsy hiankin-doha loatra amin’ireo mpiara-miombona antoka avy any ivelany isika mahakasika ity sehatra ara-bola ity. Araka izany, tantsoroka no hanasokajiana ireo endrika fanampiana avy amin’ny mpiara-miombona antoka ireo. Ary ny tantsoroka dia raisina ho fanampiana fa tsy hoe izy ireo no heverintsika ho tompon’antoka amin’ny fahafahana miatrika izany fifidianana izany. Noho izany, nialana ilay fomba fanao nahazatra tany aloha hatramin’izay hoe hiandrasana mpamatsy vola avy any ivelany hatrany ka raha toa ka tsy misy izany fanampiana izany dia tsy tanteraka ilay tetikasa.
“Izany akory tsy misakana ny mety hahazoantsika tantsoroka izay efa nampanantenain’ireo mpiara-miombona antoka isan-karazany. Efa nisy ny nanao filazana hoe izahay afaka mandray anjara amin’ny hoenti-manana, ny fanofanana, ny fampitaovana sy ireo maro hafa”.

Marihana fa teboka maro no ampiasan’ny Ceni io tetibola 140 miliara ariary io ka isan’izany ireo fandaniana marolafy; ny fampitaovana mialoha, mandritra, ary aorian’ny fifidianana; ny fanotàna ireo antotataratasy ilaina amin’ny fifidianana, ireo tambikarama samihafa ary ireo fandaniana hafa tsy nomanina.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer