PolitikaSongadim-baovao

FITANTANAM-BOLA, MPIASA, HETRA,… : Hofanina ireo vehivavy Ben’ny tanàna manerana ny Nosy

Tranga niseho matetika tato anatin’ny taona vitsy izay ny Ben’ny tanana voasaringotra amina raharaha fanodinkodinam-bola na fitantanana tsy mazava. Ankoatra ireo heloka heverina ho niniana natao, dia fantatra ihany koa fa tsy vitsy amin’ireny tranga ireny no vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, indrindra mahakasika ny fitantanam-bolam-panjakana. Taorian’ireo trangana fampidirana am-ponja vonjimaika ben’ny tanana vitsivitsy, maro ireo Ben’ny tanàna no nangataka ny tokony hanomezana fampiofanana azy ireo. Ireo Ben’ny tanàna vehivavy, noho izany, no misitraka ny anjarany ankehitriny. Miisa 94 izy ireo manerana Nosy, ka ny 61 amin’ireo aloha no hisitraka fampiofanana amin’izao tapany voalohany izao, avy amin’ny Faritra 13, atao eto Analamanga mandritra ny hateloana, nanomboka omaly. Any Ihorombe kosa no hotontosaina ny tapany faharoa izay hiompana kokoa ho an’ireo Ben’ny tanàna vehivavy ny amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy rehetra.

Araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Ivotoeram-pirenen’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL), Saïd Ahmad Jaffar dia ny lafiny fampidiran-ketra, ny fitantanan-draharaham-panjakana sy fitantanana mpiasa, ary ny fitantanam-bola no taranja tena hiofanana mandritra ny telo andro. Hisy koa fifampizarana traikefa. Tanjona ny hanatsarana bebe kokoa hatrany ny endri-pitantanana misy eny anivon’ireny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ireny. Nanamafy ny maha zava-dehibe ity fampiofanana ity ireo Ben’ny tanàna vehivavy tonga nandray anjara, ary nankasitraka ny ezaka sy ny finiavan’ny Fanjakana amin’ny fanomezan-danja ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.

Fermer