PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FANONDRANANA LAVANILA: Nanaiky ny hitazonana ny vidiny 250 Dolara/Kg ny mpandraharaha
Taorian’ny fifampidinihana nisy teo amin’ny Solontenan’ny Governemanta sy ireo mpandraharaha amin’ny seha-pihariana lavanila tao Sambava, omaly, dia nisy ny hevitra nifanarahana, ka voatazona ho 250 Dolara ihany ny kilaon’ny fanondranana amin’ny lavanila. Talohan’izay moa dia nisy ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpisehatra ao anatin’ny seha-pihariana lavanila nangataka tamin’ny Fanjakana ny hijerena vahaolana amin’ny tsenan’ny lavanila.
Nafanafana ny toe-draharaha tao amin’ny Renivohitry ny Faritra SAVA omaly. Nitokona sady nandoro ireo lavanila voalaza fa tsy misy mpividy teo afovoan’ny arabe ireo mpisehatra voakasika amin’izany. Nitaky izy ireo ny hanalalahana ity seha-pihariana ity, ary koa ny handravana ny CNV na ny Komitim-pirenena momba ny Lavanila. Nambaran’izy ireo tao anatin’ny fanazavana fa tsy misy mpividy ny lavanila any ifotony, noho ny fameran’ny Fanjakana ny vidin’ny eo amin’ny sehatra iraisampirenena.
Araka izany, niisa telo ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta tonga nifampidinika tamin’ireo mpandraharahan’ny lavanila tany Sambava omaly dia ny Minisitra Edgard Razafindravahy misahana ny Varotra sy ny Fanjifana, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Justin Tokely ary ny Sekreteram-panjakana miadiady ny Zandarimaria, ny Jeneraly Serge Gellé. Nisy avy hatrany ny fifampiresahana tamin’ireo mpandraharaha amin’ity seha-pihariana ity, niaraka tamin’ny mpitarika ny Vovonana SOS Vanille.
Afa-po tamin’ny Dinika niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ny mpandraharahan’ny lavanila. « Ny SOS Vanille aloha dia manome toky fa tsy hisy intsony ny fihetsiketsehana », hoy ny mpandraharaha Laisoa Jean Pierre antsoina hoe: Jaovato taorian’ny fihaonana tany Sambava omaly Alakamisy 23 Marsa 2023. Nifanarahana moa fa tazonina ho 250 Dolara no ivarotana ny iray kilao amin’ny lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny 70%-n’ny vola vahiny azo amin’ny fanondranana lavanila no tsy maintsy ampodiana (rapatriement de devises). Tao anatin’ny fifampiresahana, resy lahatra ireo mpandraharaha fa tsy azo foanana ilay 250 dolara/kilao mba hisorohana ny mpanararaotra. Tsy misy antony tokony hanaovan’ireo mpisehatra amin’ny lavanila fitokonana intsony, araka izany, hoy Jaovato. Ity farany izay niantso fitoniana ho an’ny Vahoakan’i Sava iray manontolo.



