PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERANDOHOLONA : Manao bontolo manohitra ny volavolan-dalàna 001/2020

Nanao fanambarana ireo senatera, voafidy tao anatin’ny vaomiera ikambanana isasahana, natao handinika ny volavolan-dalàna laharana 001/2020, omaly. Nitondra teny tamin’izany ny Senatera Rakotovazaha Olivier, izay sady filohan’ny « Comission Mixte Paritaire », avy amin’ny Antenimierandoholona. « Tsy afaka ny handinika ity volavolan-dalàna ity izahay loholona », hoy izy, nandritra ny fanambarany. Entin’izy ireo hanohanana izany hevitra izany ny filazana fa misy pitsopitsony araka ny lalàna tsy voahaja ao anatin’io volavolan-dalàna io. Nazava anefa ny tenin’ny mpitondra tenin’ny Governemanta, ny faran’ny herinandro teo, ny maha laharam-pahamehana ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity, noho ny fanavaozana natao mahakasika ny lalàna mifehy ny Antenimierandoholona amin’ny ankapobeny, miampy ny fomba fifidianana ireo loholona. Tsy hisalasalana, noho izany, fa noho ireo hitsivolana mahakasika ny Antenimierandoholona noraisin’ny Filoham-pirenena ireo, no hanaovan’ireo Loholona fanoherana bontolo ity volavolan-dalàna ity. Hihena 18 mantsy ny isan’izy ireo, vantany vao lany ity volavolan-dalàna ity, ka hanankery.

Fikatsahana tombontsoa manokana

Nazava tsara anefa ny lalan-tsaina tian’ny Filoha hapetraka tamin’ny fandraisana ireo hitsivolana ireo, dia ny fanalefahana ny fandaniana volam-panjakana eo anivon’ity andrimpanjakana ity. Efa nampanantena ny Filoha fa hanafoana ny Antenimierandoholona. Mbola tsy azo atao izany amin’izao fotoana izao. Ka ny fanenana ny isan’ny Loholona no azo hirosoana. Antony nandraisana ny hitsivolana. Marihana fa nivory niaraka ireo solombavambahoaka sy Loholona ao anatin’ny Vaomiera ikambanana isasahana omaly. Fotoana izay nitsipahan’ireo Loholona ny fandinihana ity volavolan-dalàna ity. Noho ny kajikajy politika, sy noho ny fikatsahana tombontsoa manokana, noho izany, no hanaovana izao fanoherana bontolo izao. Nivoaka ny efitrano fivoriana avy hatrany ireo depiote ho mariky ny tsy fankasitrahana ny fanapahan-kevitry ny Loholona. Milaza ny handefa ny firaketana an-tsoratra momba izany fanapahan-kevitra izany any amin’ny Governemanta kosa ireto Loholona nanao fanambarana omaly ireto.

Tags
Fermer