
Fanadihadiana ManokanaPolitikaSongadim-baovao
FIFANAKALOZAN-KEVITRA MOMBA NY ZOTRAM-PIFIDIANANA: Ivon’ny adihevitra ny momba ny lalàm-pifidianana sy ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy
Samy miaiky ireo mpisehatra politika rehetra ao anatin’ny tontolon’ny fifidianana fa ilaina amin’ny fametrahana fifidianana azo antoka sy tsy mitanila ny fandraisana anjaran’ny rehetra ao anatin’ny zotram-pifidianana. Noho izany, tonga maro izy ireo omaly, nandritra ilay dinika fifanakalozan-kevitra natao hitondrana fanatsarana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana notarihin’ny Ceni.
Noporofoin’ireo mpisehatra ao anatin’ny tontolom-pifidianana ny maha zava-dehibe ny fanaovana fifanakalozan-kevitra omaly. Tonga maro izy ireo namaly ny fanasan’ny Ceni (Vaomeram-Pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana) mahakasika ilay fanaovana dinika fanatsarana ny fanatanterahana ny fifidianana. Nahitana solontena nandray anjara tamin’izany avokoa ny avy amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Governemanta mijoro ankehitriny, ny fianakaviambe iraisam-pirenena miaraka amin’ireo masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara, ireo antoko politika samihafa manohana sy manohitra ny Fitondrana, ireo filoham-piangonana isan’antokom-pinoana, ireo olona efa nitàna andraikitra teto amin’ny firenena, ireo fiarahamonim-pirenena ary ireo maro hafa. Nampiavaka io tontolo andro omaly io ihany koa moa ny fanatrehan’ny Filohampirenena mirahalahy teo aloha, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.
Azo lazaina ho fahombiazana ho an’ny Ceni ny fanatanterahana ny hetsika satria na samy manana ny firehan-keviny aza dia saika hita sy nandefa solotena teny avokoa ireo mpisehatra rehetra voatonona etsy ambony ireo. Porofo izany, fa maneho ny fahavononana amin’ny fametrahana zotram-pifidianana andraisan’ny rehetra anjara izy ireo, misokatra amin’ny rehetra, ary miaino ny firehan-kevitra rehetra. Io fifidianana andraisan’ny rehetra anjara io no antoka mitondra filaminana sy fanajana ny demokrasia eto amin’ny firenena.
Eo ambany fandrindran’ny Ceni
“Fanajana ny lalàna sy ny hetahetan’ireo rehetra mpisehatra amin’ny fifidianana no antony hikarakarana izao hetsika izao”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Retaf Arsène Dama. Fanajana ny lalàna satria araky ny voalazan’ny andininy fahadimy ao amin’ny Lalampanorenana dia mametraka ny Ceni ho rafitra mpandrindra sy mpanamora ny hetsika rehetra atao manodidina ny fifidianana. Ny andininy faha 38 amin’ny lalàna mifehy ny Ceni ihany koa dia manambara fa ity Vaomeram-Pirenena ity no mijery ny fomba rehetra hampiroboroboana ny hetsika atao manodidina ny fifidianana.
Ankilany, nohazavan’io tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Ceni io hatrany fa maro ireo mpisehatra amin’ny fifidianana manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy no maneho ny hetahetan’izy ireo ny amin’ny tokony hametrahana izay dinika hanaovana fikaonan-doha izay. Indrindra ny hoe tsy hifototra amin’ny resaka momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpividy fotsiny ihany fa hivelatra amin’ireo teboka rehetra mety mahakasika ny zotram-pifidianana amin’ny ankapobeny. Ireo rehetra ireo, arak’izany, no antony nahatonga ny fanatanterahana io dinika io izay eo ambany fandrindran’ny Ceni.
“Tanjona ny hampiroboroboana sy hametrahana zotram-pifidianana azo antoka sy tsy mitanila. Anisan’ny fomba hahatongavana amin’izany ny fampandraisana anjaran’ny rehetra amin’ny alalan’ny fiaraha-midinika hampitoviana ny fomba fijery. Dia anjaran’ny Ceni no mandrindra sy manamora ny fiaraha-midika ao anatin’ny fanajàna ny lalàna sy ny Soatoavina manodidina izany”, hoy hatrany ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Retaf Arsène Dama, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Anjara biriky hametrahana filaminana
Nandritra ny fihaonana omaly, ny avy eo anivon’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara), dia mbola nanamafy izay antso atao amin’ireo mpisehatra izay, tamin’ny alalan’ny filohany, ny pastora Irako Ammi Andriamahazosoa, ka nanambara fa “mba tsy ho teny feno fahafitohinana, mba tsy ho teny hifandratrana no atao fa ho tolo-kevitra hiaraha-midinika hiaraha-mitady vahaolana. Raha mivory eto isika, amin’ny maha fikahonandoham-pirenena azy, dia hitondra anjara biriky hametrahana fiadanana sy fandriampahalemana ao anaty tolon-kevitry ny fahamarinana. Fa ny fahamarinana ihany no manandratra ny firenena”.
Ho an’ny vovonan’ny Tanora Manao Politika kosa, nohazavain’ny sekretera jeneraliny, Rakoto Eric, fa “Zava-dehibe izao hetsika karakarain’ny Ceni izao satria hahafahana mitondra hevitra ary hahafahana ihany koa mahita hoe inona marina no tena olana ho an’ireo antoko politika sasany, ohatra, izay tsy manaiky ny fijoroan’ny Ceni amin’izao fotoana io. Na eo aza izany rehetra izany dia izahay eto amin’ny TMP dia manamafy fa tokony hirosoana ny fifidianana. Raha ohatra isika hiditra any amin’ny fandravana rafitra indray dia tsy ho vita amin’ity taona ity izany ary lasa manemotra ilay fifidianana . Tsy tokony ho tonga amin’izany ny ady hevitra. Fa kosa tokony ho tonga any amin’ny fanatsarana izay tokony hatsaraina”.
Mihaino ny Governemanta
Satria voakasika mivantana amin’ny raharaham-pifidianana misy eto amin’ny firenena ny Governemanta dia nahitana ny fandraisana anjaran’izy ireo ihany koa teny amin’io dinika lehibe io. Nambaran’ny solotenan’ireo mpikambana ao anatin’izany, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Pierre Houlder, fa mankasitraka ary manohana 100% io fakan-kevitra io ny Governemanta.
“Samy tia tanindrazana isika rehetra matoa tonga mifanatrika eto androany. Ary raha samy tia tanindrazana dia samy mieritreritra ny hisorohana ny disadisa. Reo no mampitoetra ilay hoe hikarakarana fifidianana madio, mangarahara, ekena dieny ety am-piantobohana ary ekena hatrany amin’ny famoahana ny voka-pifidianana. Noho izany ny Governemanta dia maneho ny fahavononana hiroso amin’izay mety ho fihainoana sy fifampidinihana rehetra”, hoy hatrany ny fanambarany.
Fikitihana ny lalàm-pifidianana
Tsy vitsy tamin’ireo mpanohitra tonga namaly ny antson’ny Ceni omaly no nanao soso-kevitra ny hikitihana ny Lalàm-pifidianana, dia ny Lalàna 2018-008 mikasika ny XXX. Fanitsiana vitsivitsy no heverin’izy ireo fa tokony ho entina, ary isan’izany ny famerana ny vola hampiasan’ny kandida rehefa fampielezan-kevitra. Ankoatra izay, voaresaka hatrany ihany koa ny momba ny lisitry ny mpifidy sy ny rindrambaiko entina handrafetana azy ankehitriny. Efa natomboka tamin’ity herinandro ity, raha tsiahivina ny fitsirihana io rindrambaiko io, niarahana tamin’ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF). Mbola mitaky fangaraharahana mihoatra izany anefa ny avy amin’ny mpisehatra sasany, ka mitaky ny hampandraisana anjara ny teknisianina malagasy amin’ny fitsirihana. Tetsy ankilany, nitaky koa ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny hamoahan’y Governemanta amin’izay ny daty marina hanaovana ny fifidianana, taorian’ireny tolo-kevitra efa nataon’ny Ceni ireny.
Noho izany, nitondra ny valim-panontaniana mifandraika tamin’izany ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, izay nandray anjara tamin’ny fihaonana, sady mbola notsindriany ihany koa tao anatin’ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono”. Notsiahiviny fa ny Lalàm-pifidianana ankehitriny dia ny Fitondrana teo aloha no namolavola azy. Ankehitriny anefa dia ireo namorona ny lalàna indray no mitsipaka izany ankehitriny. “Ny Fitondrana Rajoelina dia tsy nikasa mihitsy hamorona lalàm-pifidianana vaovao izay nampetipety azy fa avy hatrany dia ny teo no nampiharina… Efa nampiasaintsika io tamin’ny 2018, tsy nisy ny olana, koa maninona no ankehiriny indray vao nametrahana olana?”, hoy ny fanazavany.
Tetsy andaniny, nitondra teny fanomezan-toky ho an’ireo nangataka ny datim-pifidianana marina ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananantany, Pierre Holder Ramaholimasy. Notsindriany fa tsy maintsy tanterahina amin’ity taona 2023 ity ny fifidianana Filohan’ny Repoblika saingy ny fankatoavan’izy ireo ny daty no tsy maintsy hatao mifanaraka amin’ny lalàna izay voafaritry ny Lalampanorenana hatrany.
“Mahakasika ny fifidianana kosa dia mahazo matoky fa ny Governemanta dia tsy afaka ny hieritreritra fa tsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana Filohan’ny Repoblika. Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity izany. Ny daty dia tsy maintsy hanajana tanteraka ny voalazan’ny andininy faha 51 ao amin’ny Lalampanorenana, hoe farafahatarany dia tsy maintsy any amin’ny 90 andro mialohana ny fifidianana, no hampahafantaran’ny Governemanta azy. Tsy maintsy mialoha izay izany ny Governemanta no hanapa-kevitra ny mikasika ny datin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika sy ireo antso maro hafa”, hoy hatrany ny fanambaran’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Pierre Houlder Ramaholimasy.
Ankoatra ny resaka dinika hifanakalozan-kevitra, dia mbola mitana ny sain’ny maro ihany koa ny mahakasika ny fanaovana fitsirihana ilay rindrambaiko. Raha ny tetiandro navoakan’ny Ceni dia ny alakamisy lasa teo no tokony nanaovana ny tatitra mahakasika ilay andiany voalohany amin’ny fitsirihina saingy araky ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra tamin’io omaly io, nahemotra ho amin’ny 30 martsa ho avy izao ny fanatanterahana izay tatitra izay. Antony nandraisana io fanapahan-kevitra io ny fahafohizan’ny fotoana hiasan’ireo teknisianina avy amin’ny OIF (Vondron’ny Firenena Miteny na Mampiasa amin’ny ampahany ny teny Frantsay). Noho izany, andrasana amin’io andro io indray ny mahakasika izay tatitra ampahibemaso izay. Na eo aza io tranga io, efa nahitana vokatra sahady ny asa fandraketana ny anaran’ireo olom-pirenena ho ao anaty lisitry ny mpifidy. Niainga tamin’ireo lisitra miisa 10 069 136 izay teo ampelatanan’ny Ceni, ny 64 884 amin’ireo no nesorina satria voasokajy ho anaran’olona miverina indroa na maromaro. Noho izany, miisa 10 004 252 amin’izao fotoana ireo lisitra madio azo ampiasaina ka mandrafitra ny 73%n’ny tanjona napetraka io. Mbola mitohy hatrany moa ny fisoratana anarana eny anivon’ny fokotany manerana ny Nosy ka antenaina ny hahatonga io taha io ho 100%.