
PolitikaSongadim-baovao
FANAMBARAN’NY DEPIOTE « LE HINTSY »: Miketrika izay tsy hirosoana amin’ny fifidianana
Efa fantatra hatramin’ny voalohany ny kisarisary mety ho asehon’ireo avy amin’ny fanoherana eo anatrehan’ny fifandanjan-kery ara-politika misy ankehitriny. Amin’izao amam-bolana mialohan’ny fifidianana izao, nivondrona ny mpanohitra, ary milaza ny mitaky fifidianana madio. Nilaza izy ireo fa manahy ny tsy hisian’ny fifidianana madio sy mitongilana. Isan’ireo voatondro manokana moa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) izay nambaran’izy ireo fa mitongilana, ary mamofopofona politika ny fanapahana raisiny. Izany hoe, tsy mbola manomboka akory ny lalao dia efa manambara ny mpanohitra fa miangatra ny mpitsara?
Marihina fa miray tao anatin’ny fanambarana natao ny alakamisy teo, teny amin’ny “Le Hintsy” ireo Solombavambahoaka nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta, ny desambra lasa teo, miaraka amin’ireo antoko politika ao anatin’ny fanoherana, ahitana ny TIM, MTS, HVM, MMM, ARB, sy ny sisa. Ny iraisan’izy ireo dia saika efa nitondra teto Madagasikara avokoa, saingy efa naloan’ny vahoaka. Ankehitriny, ataon’izy ireo amin’ny fomba rehetra indray izay tsy hizoran’ny fifidianana amin’ny fomba ara-dalàna. Sa efa misy fikasana handrombaka fahefana tsy amin’ny fomba ara-dalàna any ho any? Mampametra-panontaniana tokoa raha toa ka misy ifandraisany ny fanambarana politika nataon’ireo Vondron’ny mpanohitra omaly sy ny fiverenan’ny hetsika fanakorontanana eny amin’ny Oniversiten’i Vontovorona indray, sy ny fikasana hitarika olona hidina an-dalambe noho ny resaka vidim-piainana, sy ny sisa.
Te hamerina ny 2018
Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ity fanambaran’ny Depiote teny amin’ny Le Hintsy ity omaly ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta. Nambarany fa te hamerina mafy ny hetsika tamin’ny 2018 ireo Solombavambahoaka ireo. Izany hoe, hanao izay tsy hisian’ny fifidianana satria matahotra hiatrika izany. Ny tamin’ny taona 2018 nefa dia nisy antony mazava ny hetsika izay natao, araka ny fampahatsiahivana nataony. Ankehitriny, ezahana hamoronana korontana daholo ireo toerana mety hisiana savorovoro rehetra mba hanomezana endrika fa mikorontana ny Firenena. Dia izay avy eo no hatao alaolana hidirana amin’ny fifanarahana politika sy ny fiaraha-mitantana hizarazarana seza. “Ny fahitako azy dia efa manao antso fikomiana ho an’ny vahoaka mihitsy ilay fanambarana teny amin’ny Le Hintsy”, hoy izy.
Raha misy fitsinjovana vahoaka, hoy hatrany ny fanazavana, dia tokony hohajaina ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika. Fotoana izay nampahatsiahivany ny krizy ara-toekarena misy manerantany anketrihiny izay maha lasibatra an’i Madagasikara ihany koa. Isan’ny efa fiantraikan’izany izao ny fiakaran’ny vidin’entana eto amintsika. Mahagaga anefa fa mbola ny hanao tetezamita indray no mahamaika ny sasany, hoy ny fanehoan-keviny.
Ny Fanoratana.




