
PolitikaSongadim-baovao
FANAMPIANA AMIN’NY FIFIDIANANA 2023: Tonga eto Madagasikara ny Iraky ny Firenena Mikambana
Ao anatin’ny fiomanan’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona 2023 ity, dia tonga eto amintsika ny Iraky ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, hijery ny zava-misy ara-politika sy ny fahafaha-manampy amin’ny fanatanterahana izany.
Noraisin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Yvette Sylla omaly ny iraka avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana any New York, ahitana ny Talem-paritra misahana ny Afrika Atsinanana, Andriamatoa Graham Maitland sy ny Tale mpanampy misahana ny fanaraha-maso ny fifidianana, Andriamatoa Simon Pierre Nanitelamio. Tonga hijery ny zava-misy eo amin’ny tontolo politika sy hanampy an’i Madagasikara amin’ny ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izao no tanjon’izy ireo, araka ny fanazavana. Notsindrian-dRamatoa Minisitra tamin’izany fa vonona tanteraka ny Fanjakana malagasy hanao ny fifidianana ary efa mandeha ny fikarakarana momban’izany. Ny fifidianana dia tokony hotanterahina anaty fitoniana sy fandriampahalemana hatrany, araka ny fanehoan-kevitr’ireto delegasiona avy amin’ny Firenena mikambana ireto.
Tetsy ankilany, nilaza ny Minisitry ny Raharaham-bahiny fa zava-dehibe ny fahatongavan’ireto misionera ireto ahafahana manamafy hatrany ny lafiny demokrasia izay efa notandrovan’i Madagasikara taona maro izao, ary koa ahafahana mitandro ny famarinan-toeran’ny firenena malagasy. Mbola hitsidika ny Ministera sy ny rafitra rehetra mikarakara ny fifidianana moa ity delegasiona ity aorian’ny fihaonana voalohany tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny.
Raha tsiahivina, Masoivoho sy Rafitra iraisampirenena maro no efa naneho fahavononana hanampy an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona ity. Tafiditra ao anatin’izany ny SADC, ny Vondrona Afrikanina, ny Governemanta Amerikanina, ny Firenena Frantsay, ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina, ny Fikambanna iraisampirenena ho an’ny firenena miteny na mampiasa amin’ny ampahany ny teny frantsay (OIF), sy ny sisa. Tsy mbola nisy kosa hatreto lamina na fomba fiasa mahakasika ny ho endriky ny fanampiana ara-bola sy ara-teknika mety ho ataon’izy ireo. Na izany aza, efa nanome toky ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), fa hisy ny fifidianana, ary ho hita ny tetibola rehetra ilaina amin’izany.




