PolitikaSongadim-baovao
LALANA MIFEHY NY SERASERA : Nankatoavin’ny HCC, miaraka amin’ny fanitsiana vitsivitsy
Omaly no namoaka ny fanapahan-kevitra laharana 13-HCC/D3 ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC) mahakasika ny lalàna laharana 2020-006 momba ny serasera atao amin’ny haino vaky jery. Nankatoavin’ny HCC, araka izany, ity lalàna ity rehefa avy nandalo teo anivon’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona. Na izany aza, nisy fanamarihana sy fanitsiana vitsivitsy nataon’ny teo anivon’ity rafi-pitsarana ity. Izany no natao, dia ny mba hifanojoan’ireo rehetra voasoratra ao amin’ny lalàna, amin’ny Lalampanorenana manankery eto amin’ny tany sy ny Firenena. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny andininy faha 11, faha 7 ary faha 77 izay samy mamaritra avokoa ny zo hahazo vaovao sy ny fahalalahana amin’ny fikaroham-baovao, indrindra ho an’ny mpanao gazety. Nitondran’ny HCC fanitsiana ihany koa ny famaritana ny asa an-gazety mihodina amin’ny alalan’ny tranokalam-pifandraisana, ny sata araky ny lalàna mifehy ny ANRCM sy ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, ny fahazoan’ny haino aman-jery miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ny « couverture nationale ».



