Songadim-baovaoSosialyToekarena

FAMPIDINANA NY VIDIM-BARY AVY ETO AN-TOERANA: Hahena ny fanelanelanana avy any amin’ny Tantsaha mankaty amin’ny mpanjifa

Hamaivanina ny fanelanelanana eo amin´ny fandraharahana vary avy any Imeritsiatosika, izay tsinjaraina amin’ny mpanjifa eto Antananarivo. Miara-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (Micc), sy ny SPM ireo tantsaha mpamboly sy mpitoto vary hamatsiana ny mpaninjara eto Antananarivo.

Manodidina ny 150 Taonina isan’andro ny vary miakatra ao an-tanànan’Imerintsiatosika. Vary izay mihazo an’Antananarivo avy hatrany, hamatsiana ny tsena eto an-drenivohitra. Tato anatin’ny herinandro maromaro, tsapa fa tena niakatra ny vidin’ny vary eto an-toerana indrindra fa ny vary gasy. “Miasa andro aman’alina ny Fitondram-panjakana hitondrana vahaolana. Misy ny lamina vaovao napetraka mba hahafahan’ny tantsaha mivarotra ara-drariny sy tsy ho maty antoka”, hoy ny Minisitra misahana ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy. Misy, araka izany, ny fiarahamiasan’ny Fanjakana amin’ny orinasa SPM mikasika ny fitsinjarana izany vary izany hamatsiana ny tsena eto Antananarivo. Izany hoe, tsy ho lava ny lalan’ny vary, ary tsy hisy ny fanararaotana.

Natomboka tany Imerintsiatosika izany paikady vaovao izany. Ny 01 aprily 2023 no notanterahin’ny delegasion’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana notarihin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fidinana ifotony tany an-toerana. Misy ny fiarahamiasan’ny Fanjakana amin’ny orinasa SPM mikasika ny fitsinjarana izany vary izany hamatsiana ny tsena eto Antananarivo. Ary efa mipetraka ny lamina hiarahana amin’ny mpamongady. Tsy tokony hihoatry ny 2900 Ar ny kilaon’ny vary satria tapaka fa manodidina ny 1500 Ar ny kilaon’ny vary akotry miainga amin’ny tantsaha, araka ny fanazavan’ny Minisitra.

Mandritra ny volana Aprily ihany no hanatanterahana izany satria efa hitobaka ny vary avy eto an-toerana aorian’izay.

Fermer