Songadim-baovaoSosialy

PASKA HIEREN-DOZA: Hamafisina ny fitsirihana ireo fiara fitateram-bahoaka nasionaly

Mihoatra ny 10 isan’andro amin’ny ankapobeny ny salanisan’ny olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivozana misy eto Madagasikara, raha ny tatitra avy amin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro. Tafiditra amin’ireo olona namoy ny ainy ireo ny mpandeha sy ny mpitatitra amina fitaovam-pifamoivoizana samihafa. Miteraka fatiantoka 9,5% amin’ny harin-karena faoben’ny firenena, na ihany koa mitentina 1 miliara dolara, ny fisian’ny tranga toy izany. Amin’izao vanim-potoana ankatoky ny fetin’ny Paska izao, matetika ahitana lozam-pifamoivoizana ny eny amin’ny lalam-pirenena. Izany indrindra no antony hanaovana fanentanana ireo mpampily rehetra ka nisy omaly ny fidinana ifotony notanterahan’ny solotena maro avy amin’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ary ny Sekreteram-panjakana Mihadidy ny Zandarimariam-pirenena.

“Tsy afaka hamaivanina ny tranga toy izany. Izay no nahatonga anay nanao ny fitsidihana sy hanao fidinana ifotony androany. Manentana ny mpiara-miombona antoka rehetra amin’ny ezaka tokony hatao hisorohana ny loza”, hoy ny fanentanana avy amin’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Ramonjavelo Valérie.

Teny amin’ny tobim-piantsonana nasionaly Maki Andohotapenaka no nanatanterahana izany fidinana ifotony izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tanjon’ny “Paska Hieren-doza” ny fampiharana azy. Noho izany, asa sahanin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, manombok’eto hatramin’ny 16 aprily ho avy izao, ny fanamafisana ny fitsirihana ireo fiara fitateram-bahoaka nasionaly manainga eny amin’ny tobim-piantsonana rehetra. Hisy ihany koa ny fampahafantarana sy fampianarana ireo lalàna rehetra tsara ho voafehy mahakasika ny fifamoivoizana eto Madagasikara. Tsy hijanona hatreo anefa, nomahafisin’ny tompon’andraikitra avy amin’ny DGSR (Foibe Fitsarana ny Fiarakodia) fa hamafisina ihany koa fitsirihana tampoka eny amin’ireo lalana rehetra, na eto an-drenivohitra na any amin’ny Faritra. Izany hoe manomboka eo am-pialana eo amin’ny tobim-piantsonana mandrapahatonga any amin’ny toerana voafaritra fa aleha.  Farany, fepetra napetraka ihany koa ny hoe ireo fiara rehetra mangataka fahazoan-dalana hitatitra  manokana mandritra izao fetin’ny Paska izao dia tsy maintsy fiarakodia vita fitsirihana avokoa.

Fantatra moa fa ny tanjona hapetraky ny Fitondram-panjakana dia ny hampihena hatramin’ny 50% ny isan’ny olona maty vokatry ny lozam-pifamoivozana hatramin’ny taona 2030. Lalana iray hahatongavana amin’io izao hetsika tanterahina izao. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra, hitohy mandava-taona ny hetsika, hitohy mandritra ny fetin’ny Pantekosta, ny fetin’ny 26 jona, ny fialan-tsasatra, ny voalohan’ny volana novambra, ary hatramin’ny fetin’ny faran’ny taona.

Sarobidy Sidonie.

Fermer