KolontsainaSongadim-baovao

TRANOMBOKIM-PIRENENA: Tafapetraka ny tahalan’ny Firenena Britanika

Tafiditra tao anatin’ny drafi-panavaozana nentin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an’ny Tranombokim-pirenen’I Madagasikara ny fametrahana Tahala ho an’ny firenena hafa izay ahitana ny boky momba ireo firenena ireo. Tafapetraka omaly izany tahala izany ho an’ny firenena Britanika. Boky maro isan-karazany no natolotry ny Masoivohony miasa sy monina eto amintsika, ho an’ny Tranombokim-pirenena.

Ny volana Febroary 2022 no nisy ny fihaonana voalohany teo amin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, sy ny Masoivohon’I Grande Bretagne, miasa sy monina eto amintsika, SEM David William Ashley. Nandritra izany no niresahan’ny roa tonta ny hametrahana Tahala ho an’ny firenena britanika eo anivon’ny Tranombokim-pirenena Anosy. 14 volana aty aoriana, Tafatsangana ny Tahala ho an’ity firenena ity. Boky maro, samy amin’ny karazany avy, no natolotry ny Masoivoho Britanika ho an’ny Tranombokim-pirenena omaly, izay noraisin’ny Minisitra tomponandraikitra. Araka ny fanazavan’ny Masoivoho, dia hanamafy orina ny fifandraisana misy eo amin’I Madagasikara ny fisian’ireo boky ireo. Ireto farany izay mirakitra fianarana teny anglisy, ny mombamomba ny firenena britanika, ny fanatanjahantena britanika, ny fomba fahandroana sakafo britanika, sy ny sisa. Natao ampahafantarana bebe kokoa ny vatsim-pianarana « Chevening » izay atolotry ny Firenena Britanika sy ny fikambanana “Chevening Alumni Madagascar”, azon’ny mpianatra malagasy sitrahana ihany koa, ny Tahalan’ny firenena britanika ao amin’ny Tranombokim-pirenena.

Azon’ny rehetra atao, araka izany, ny mitsidika io Tahalan’ny firenena britanika io. “Izaho manokana mahita fa efa maro ireo Malagasy mahay miteny sy mamaky ny teny anglisy… betsaka koa anefa ireo maniry ny hifehy izany teny izany. Ka izay indrindra no anisan’ny antom-pisian’ireo Boky eo anivon’ny Tranombokim-pirenena mba hanampiana ireo mpianatra sy izay mbola maniry hianatra izany teny izany”, hoy ny fanazavan’ny Masoivoho Britanika.

Ezaka fanatsarana

Tetsy ankilany, tao anatin’ny lahateniny dia notsiahivin’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ireo fanavaozana rehetra nentin’ny Minisitera nanomboka ny taona 2019 ho an’ny Tranombokim-pirenena, sy ny fampiroboroboana ny vakiboky amin’ny ankapobeny. Ankoatra ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, dia nohatsaraina ihany koa ireo zavatra azo jerena eo anivon’ity Tranombokim-pirenena ity ka, anisan’izany ny nametrahana ny tahala ho an’ny firenena maro maneran-tany. Ankehitriny, isan’ireo firenena efa manana tahala ao an-toerana I Etazonia, Allemagne, Frantsa, sy ny sisa.

Ho an’ny firenena Britanika manokana, mifanojo amin’ny fiomanana amin’ny fametrahana ny satroboninahitry ny Mpanjaka Charles III amin’ny Mey izao fanomezana boky izao mba ho fampahafantarana misimisy kokoa an’I Grande Bretagne aty Madagasikara. Marihina fa mbola andiany voalohany ihany ireo natolotra omaly ireo fa mbola hisy ny andiany manaraka.

Fermer