
PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA TANY ISRAELY: Nihaona tamin’ny Filoha Israeliana Isaac Herzog
Nandritra ny fetin’ny paska teo, nanatanteraka fivahinianana masina tany Jerosalema (Israely) ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny fianakaviany. Amin’ny maha mpino azy, dia zava-dehibe sy manan-danja tokoa izao fitsidihana izao, izay notanterahiny tany amin’ny tany anisan’ny masina indrindra maneran-tany, araka ny fampitam-baovaon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
“Izao andron’ny Paka izao dia maneho amintsika ny fandresen’ny fiainana amin’ny fahafatesana ary mitondra ny fanantenana. Mampahatsiahy ihany koa fa eo amin’ireo ady sarotra izay sedraintsika dia matoky isika fa eo anilantsika lalandava ny Tompo…Koa izao fitsanganan’i Kristy ho velona izao anie ho hazavana hitantana antsika amin’ny fiainantsika tsirairay ao anatin’ny fanantenana ary hitondra fandresena”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina tao anatin’ny ivon’ny fankalazana ny paska.
Ankoatra izay, nandritra ny diany tany an-toerana dia nisy ihany koa ny fihaonan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny Filoha israeliana, Isaac Herzog, izay nifampiresahan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’i Israely sy Madagasikara. Niompana tamina sehatra stratejika maro ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, ka anisan’izany ny fomba fitantanana ny rano, ny angovo, ny fahasalamana, ny fambolena ary koa ny fiompiana. “Ho fanamafisana ny fiarahamiasa eo amin’ny firenena roa tonta, dia nanasa manokana antsika ny Filoha Israelianina, mba ho avy hanatanteraka fitsidihana ofisialy”, hoy ny Filoha malagasy.




