KolontsainaSongadim-baovao

GADONA « POP, SOUL, TRAP »: Mivoaka anio ny rakikira voalohany « FETY » an’i Joanne Radao

“FETY”, io no nosafidian’ny mpanakanto Joanne Radao hampitondraina ny lohatenin’ny Rakikirany izay mivoaka amin’ity anio ity. Araka ny fanazavany, nosafidiany manokana ilay lohateny hoe “Fety”, satria nandritra ny vanimpotoan’ny fihibohana no niketrehana ity tetikasa ity, ka tao anatin’izany no nanehoana ny faniriana te hiaina ankalalahana sy hifaly ary handihy. Rakikira izay ahitana hira dimy, dia ny « De bois et de fumée », « Cities Are Burning », “Diego”, “Kiddoz”, “Tough Cookie”. Olona maro no nanolo-tanana azy tamin’ny fanatanterahana ity Rakikira ity, anisan’izany ny mpanakanto malagasy andrarezin’ny valiha, dia i Rajery Valiha.

Tsara ho fantatra fa i Joanne Radao dia mpanakanto malagasy manana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny kanto. Mipetraka ao Paris Frantsa izy, ary mizaka ny zom-pirenena frantsay ihany koa. Mivoy ny gadona Pop, World Music, Folk, Soul, trap , ary hira malagasy tsotra i Joanne Radao. Anisan’ireo hira vao nanaovany fampahafantarana, herinandro vitsivitsy lasa izay, ilay “De bois et de Fumée” izay sady rakitsary voalohany ho azy. Avoitrany ao anatin’io hira vaovao io ny fahafahan’ny Kolontsaina malagasy sy ny Kolontsaina any Frantsa mifandray. Misongadina ao anatin’ny hira rahateo ny fampiasana ireo zava-maneno mampiavaka ny Malagasy, na dia mozikan’ny ankehitriny aza ny gadona amin’ny ankapobeny. Hita ao anatin’ny rakitsary ihany koa ny fampiasana ireo singa malagasy toy ny rofia sy ny lamba. Natao amin’ny teny frantsay anefa ny hira, fomba izay nentiny nanasongadina ny fahafahan’ireo kolontsaina roa ireo miaraka.

Fermer