KolontsainaSongadim-baovao

MIHAMY MADA FASHION 2023: Tosika ho an’ny indostria ara-kolontsaina sy ny famoronana any Atsinanana

Hifarana anio ao amin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana ny hetsika Mihamy Mada Fashion andiany fahefatra, izay nanomboka ny alakamisy teo. Fotoana izay nahafahan’ireo mpamorona sy mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny haihaingo nanasongadina ny sanganasany, indrindra ireo avy any amin’ny tapany Atsinanan’ny Nosy.

Vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika, nanomboka ny taona 2019, ny hahatonga ny sehatry ny Kolontsaina ho lasa fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena. Tetikasa maro no efa nimasoan’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina, tato anatin’ny efa-taona, mba hahatongavana amin’izany vina izany. Isan’izany ny fanaovana ny hetsika Mihamy Mada Fashion izay hanasongadinana ireo mpamorona sy mpisehatra amin’ny haihaingo. Tanjona amin’ny fanatanterahana ity hetsika ity ny hanomezana tosika ny indostria ara-kolontsaina sy ny famoronana, mba afaka hivelatra sy hamorona asa ho an’ny tanora. Efa nahitam-pahombiazana hatrany ny hetsika nandritra ireo andiany nifandimby natao teto Antananarivo. Toamasina kosa no nandray ny andiany fahefatra tamin’ity taona ity. Nomem-boninahitra tamin’ireo hetsika maro nifandimby ireo asa famoronana avy any amin’ny Faritanin’i Toamasina. Ny 26 tamin’ireo mpandray anjara 38 tany an-toerana rahateo dia avy any Toamasina avokoa.

Tanora 17 nahavita fiofanana tao Toamasina

Mbola tafiditra indrindra ao anatin’izay fampiroboroboana ny indostria ara-kolontsaina sy ny famoronana izay indrindra ny nananganana ny ivotoeram-pikotrehana orinasa “Tosik’Art”, izay sahanin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ho fanohanana ireo tanora manan-talenta eo amin’ny famoronana ara-kolontsaina sy zavakanto, ka te hamadika izany ho orinasa ahafahany mivelona. Toamasina, Antananarivo, ary Ihosy, ireo hatreto no ahitana ny “Tosik’Art” saingy efa hisokatra tsy ho ela ihany koa ny amin’ireo faritra enina hafa efa nananganana fotodrafitrasa afaka mandray izany.

Raha tsiahivina, i Toamasina no nananganana voalohany io ivotoerana io. Tamin’ny alakamisy lasa teo, navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny andiany voalohany amin’ireo tanora nandrato fahalalana tao momba ny fananganana orinasa eo amin’ny sehatry ny kolontsaina sy zavakanto. Tanora miisa 17, vokatr’izany, no nahavita ny fiofanany mahakasika ny fandaharanasam-pikotrehana orinasa ka notolorana maripahaizana tamin’io fotoana io. Isan’ny nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, niaraka tamin’ireo ekipany, izay manatrika ihany koa ny hetsika “Mihamy Mada Fashion” andiany fahaefatra tanterahina any an-toerana amin’izao fotoana.

Fermer