PolitikaSongadim-baovaoToekarena

« CODE MINIER » NOHAVAOZINA : Nakarina 5% ny haba sy tamberim-bidy alaina amin’ny fitrandrahana

Ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 12 Aprily 2023 teo no nankatoa ny volavolan-dalàna mikasika ny fehezan-dalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany na “Code minier”. Ho aroso eny anivon’ny Parlemanta roa tonta, noho izany, ity volavolan-dalàna ity amin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana manaraka. Mialohan’ny handraisan’ny Filohan’ny Repoblika ny didy fampiharana azy.

Miisa 434 ireo andininy ao anatin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany eto Madagasikara izay vao avy nitondrana fanavaozana, ary nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo. Teboka maro no nitondrana fanavaozana tao anatin’ity lalàna ity, izay niainga avy tamin’ireo fakan-kevitra nasionaly natao nandritra ny fotoana naharitra, araka ny fanamafisana nataon’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, Rakotomalala Olivier Herindrainy. Isan’ireo misongadina ao anatin’ny lalàna nohavaozina ny fampiakarana ny tamberim-bidy alain’ny Fanjakana amin’ny fitrandrahana Harena an-kibon’ny Tany ho 5%, raha toa ka 2% monja izany tamin’ny lalàna mihatra ankehitriny. Ny 1,5% amin’io dia “ristourne” raisin’ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana (CDT), izany hoe, eny anivon’ny Kaominina sy Faritra. Ny 3,5% kosa dia haba sy hetra raisin’ny Fanjakana foibe. Ny “code minier” nohavaozina dia efa manambana sazy ho an’ireo mpitrandraka tsy mahefa an’ireo ara-potoana, izay mety ho tonga hatramin’ny fanafoanana ny fahazoan-dalana hitrandraka.

Ankoatra izay anefa, anisan’ny fanavaozana ao anatin’ny fehezan-dalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany koa ny nametrahana ny “Fonds Minier d’investissement social et humanitaire”. Ireo mpitrandraka nahazo fahazoan-dalana hitrandraka no mandrotsaka ny ampaham-bola ao amin’io tahiry io, mialohan’ny hanaovany ny asa fitrandrahana. “Tahirim-bola io hahafahan’ny mpitrandraka manao asa fampandrosoana ara-tsosialy any ifotony. Ho an’ireo mpitrandraka madinika dia hofaritana ny vola aloany. Ho an’ireo mahazo fahazoan-dalana hitrandraka kosa dia 3%-n’ny fampiasam-bola ho entiny no aloany ao anatin’io tahiry io”, hoy ny Minisitra nanazava.

Seha-pihariana volamena

Etsy ankilany, fanavaozana goavana ao anatin’ity lalàna ity ihany koa ny nametrahana ny “Centrale de l’or”, izay rantsana iray hifehy ny seha-pihariana volamena, ka hanana rantsamangaika eny anivon’ireo distrika izay mamokatra volamena. Io rafitra io no hanao ny fanarahamaso any ifotony, hanao ny “traçage”. Ireo fepetra efa noraisina momba ny fanondranana volamena moa dia mbola voatazona ao anatin’ity lalàna vaovao ity.

Pitsopitsony araka ny lalàna maromaro ihany koa no niova tao anatin’ny “code minier” mikasika ny fisitrahana fahazoan-dalana itrandrahana, mba hisorohana ny gaboraraka, araka ny fanazavana. Isan’izany ohatra ny fampihenana ny velarantany azon’ny mpandraharaha anaovana fitrandrahana, sy ny sisa.

Fermer