KolontsainaSongadim-baovao
TONTOLON’NY HAIHAINGO SY FAMORONANA: Fahombiazana ny Mihamy Mada Fashion IV tao Toamasina
Mbola nohantitranterin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nandritra ny fandraisam-pitenenany, tamin’ny lanonana fanakatonana ny hetsika Mihamy Mada Fashion andiany fahefatra, natao tao Toamasina, ny sabotsy teo, fa azo atao tsara ny mihary sy mivelona anatin’ny tontolon’ny haihaingo sy ny famoronana. Voaporofo, hoy ny Minisitra, fa seha-pihariana azo trandrahina sy halalinina tsara any amin’ny Faritra Atsinanana izany mba ahazoana manome lanja ny talentan’ny tanora ka ahafahany mandray an-tanàna ny hoaviny. Raha ity andiany ity manokana dia azo ambara ho fahombiazana tanteraka ny fanatanterahana ny hetsika, ary betsaka ireo olona nanjifa ny famoronana vita malagasy nataon’ireo mpandray anjara, indrindra nandritra ny Fashion Show tao amin’ny Pact ny zoma alina, araka ny tatitra.
Tanora manana vina
Ny Sabotsy hariva teo, tomefy olona ny tany malalaky ny lapan’ny tanànan’i Toamasina. Vahoaka maro no tonga nanatrika ny lanonana sy seho filatroana nentina nanakatona ny Mihamy Mada Fashion 2023. Fandraisam-pitenenana fohy no nentin-dRamatoa Minisitra nisaotra ny vahoakan’i Toamasina tonga nanatrika sy nanotrona nandritra ny hateloana. Nankasitrahany ihany koa ireo rehetra mpiara-miombona antoka tamin’ny fahombiazan’ny hetsika, nahitana ny Fiadidiana ny Faritra Atsinanana, Kaominina Ambonivohitra Toamasina, Spat, CGHV Volobe2, Hita, Premium Logistics, Airtel, ireo Sampandraharaham-panjakana, ny mpandray anjara rehetra, ny mpilatro sy ireo tanora maro nandray ny andraikitra tandrify azy.
Nohararaotin-dRamatoa Minisitra ity fotoana nahavoriana tanora maro ity, nanaovany fanentanana sy fampirisihana azy ireo tsy hisalasala hanatona ny “Centre d’incubation” izay hanampiana ny tanora manana vina na hetaheta hanangana orinasa amin’ny sehatry ny kolontsaina sy ny zava-kanto ary ny indostrian’ny famoronana. Tsiahivina fa Toamasina no voalohany nisitraka an’ity fandaharanasa Tosik’Art ity.




