Songadim-baovao
KIANJA, BIRAOM-PANJAKANA, FONJA, GARA… : Tanteraka tao Ambositra ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’ny velirano 13
13 ireo velirano, fotodrafitrasa 13 mifandraika amin’ireo no voaorina tao Ambositra, notokanan’ny Filoha, Andry Rajoelina, ny sabotsy lasa teo. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny fa tsy mbola nisy fotodrafitrasa naorina mihoatra noho izao tao an-toerana ary fitaratra amin’ny distrika Ambositra….

« Teto amin’ity toerana ity no nanaovantsika velirano tamin’ny fampielezan-kevitra. Nanontaniana hoe iza no mila Kianja manara-penitra eto Ambositra, dia nanangan-tanana ianareo tanora. Ankehitriny aho dia manimanina satria mitokana izany kianja izany isika ». Ampahany amin’ny kabary nambaran’ny Filoha, Andry Rajoelina io, ny sabotsy lasa teo. Raha ny zavatra tokanana ao Ambositra, nanambara izy, fa tokony ho herinandro no nijanona tao. 13 ny velirano, fa nahatratra13 ny fotodrafitrasa mifandraika amin’izany, dia voaorina ao Ambositra. Eto Ambositra, fotodrafitrasa maro no nataon’izao Fitondrana izao na miditra na mivoaka ny tanàna. Misy ny « Gare routière » sahaza ny mponin’Ambositra, raha teny amoron’arabe izany teo aloha. Mandalo eo Alakamisy isika, misy EPP efa tamin’ny taona 1898 no nisy nametraka voalohany ary izao indray vao nisy nanavao. « Nanamboatra EPP manarapenitra isika satria mendrika izany ny mpianatra eto. Ao koa ireo birao vaovao vao notokanana, misy ireo vao amboarina. Midika izany fa miasa isika », hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina. Tsy diso anjara kao ireo Ben’ny tanàna miisa 61, izay nahazo môtô tsirairay. Hohamafisina ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo Ben’ny Tanàna. Nandritra ny 4 taona, dia nametraka ny Fanjakana manakaiky vahoaka ny Fitondrana. Nanterin’ny Filoha hatrany fa raha Ambositra no resahina, tsy mbola nisy fotodrafitrasa naorina mihoatra noho izao teto.
Manasoa vahoaka sy nanome toromarika…

Ho an’ireo fianakaviana marefo ao Amoron’i Mania, nisy ny vatsin’ankohonana niaraha-niasa tamin’ny Banky iraisam-pirenena. Ho an’ny Amoron’i Mania, misy fianakaviana sahirana. 2.855 nozaraina ny Vatsin’ankohonana. « Misy ny milaza, misy ny mitsikera, misy ny manatanteraka. Isika miasa hanasoa ny vahoaka, hiasa ho an’ny vahoaka », hoy hatrany ny Filoha. Maro koa ireo minisitra tonga eto. Inona ny dikan’izany? « Tsy mbola nisy minisitra maro tonga toy izao teto Ambositra. Misy antony lehibe izany. Ny antony dia tsy maintsy ovaintsika miaraka ny tantaran’Ambositra », hoy izy. Betsaka ny natao, fa maro koa ny mbola ho atao. Nanome toromarika ny minisitry ny Asa vaventy ny Filoha. « Maro ny fitarainan’ny vahoaka mahakasika ny lalam-pirenena faha-41, aleo io amboarina. Isika dia miasa haingana. Efa tonga ao ny fitaovana ary efa hanomboka ny asa ho an’izany lalam-pirenena mampitohy an’Ambositra amin’i Fandriana izany », araka ny nambaran’ny Filoha.
Nitodika tamin’ny minisitra misahana ny fandriampahalemana koa ny Filoha Andry Rajoelina. « Betsaka ny asan-dahalo efa heno. Isandra efa resy, kanefa kosa, mbola mikaikaika ny ao Manandriana. Koa ataovy ny fomba handresena ny asan-dahalo ao Manandriana. Betsaka ianareo ankehitriny marary, mila entina any amin’ny hopitaly. Noho ny fangatahan’ireo depiote sy governora dia manolotra « ambulance » 4×4 vaovao ho an’ny tanànan’Ambositra isika. Mahazo koa Ambatofinandrahana, Fandriana », hoy hatrany ny Filoha. Nasongadiny fa tsy maintsy mandroso Amoron’i Mania ary tsy maintsy mandroso i Madagasikara. Tiana ny manamarika fa fotodrafitrasa maro ahitana Biraom-panjakana, sekoly, « Gare routière », fonja ary Kianja Manara-penitra no isan’ny notokanana tao amin’ny tanànan’Ambositra.



