KolontsainaSongadim-baovao

FANOMEZAN-DANJA NY TANTARA: Misokatra ho an’ny daholobe ny Mozea Rainilaiarivony etsy Amboditsiry

Niroborobo tanteraka ny sehatry ny Kolontsaina sy ny vakoka nanomboka ny taona 2019 no ho mankaty. Ankoatra ireo mbola andalam-panatanterahana ankehitriny, dia betsaka ireo asa vita tao anatin’izay efa-taona izay, isan’izany ny Mozea Rainilaiarivony izay vao tafajoro ary notokanana omaly, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy.

Velirano faha-13 nataon’ny Filohan’ny Repoblika ny fampiroboroboana ny kolontsaina ho lasa hambompom-pirenena. Tanteraka izany ankehitriny, niainga tamin’ireo asa maro nataon’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina, izay eo ambany fitarihan’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Ny Rovan’i Madagasikara, ny Lapan’i Besakana sy Manampisoa, Avoria, Mozea Vavitiana ao Toamasina, sy ny sisa, ampahany tamin’ireo asa vita ho fanomezan-danja ny Kolontsaina sy ny vakoka ireo. “Ny fanontaniana mipetraka dia hoe fa maninona ireo no tsy vita hatrizay? Satria ny finiavana politika no tsy nisy tamin’ireo mpitondra nifandimby”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina raha nikabary. Ankehitriny, tafatsangana indray ny Mozea Rainilaiarivony.

Araka ny fanazavan’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, nanomboka ny taona 2019 ny fanarenana sy fanamboarana ny toeram-ponenan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony eny Amboditsiry, saingy nosembantsembanan’ny valanaretina Covid-19 sy ny tsy fahitana ny fitaovana tao anatin’ity toerana ity. Ny taona 2022 vao vita ny fotodrafitrasa ary izao notokanana izao. Volam-panjakana no nanaovana ny fotodrafitrasa. Hetsika Tagnamaro nataon’ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Serasera kosa no nanaovana ny zaridaina manontolo. Nifarimbonana tamin’ny matihanina eo anivon’ny minisitera sy ny tsy miankina ny fanamboarana azy ho lasa mozea. “Mozea Rainilaiarivony” no anaran’ ny toerana ankehitriny. Mizara roa ny fanehoana ao anatin’ny Mozea. Eo ny momba an’i Rainilaiarivony olom-panjakana, izay iresahana ny tantara. Ao koa i Rainilaiarivony sy ny fiainany manokana maha olona azy.

Toeran’ny tantara

Nitarika ny lanonam-pitokanana omaly ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nifanindran-dalana tamin’izany ny faha 195 taona nahaterahan’i Rainilaiarivony sy ny fanamarihana ny 18 aprily, andro iraisam-pirenena ho an’ny toerana miavaka sy ny zava-naorina. Nasongadin’ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy fa “toeran’ny tantara, harem-bakoka mila kojakojaina ho hasin’ny tantara sy ny kolontsaina malagasy ny trano fonenan’ny praiminisitra Rainilaiarivony. Tafiditra anatin’ny fanohizana ny fanokafana mozea natomboka hatramin’ny taona 2019 ity ezaka ity”.

Araka ny fanazavana, dia 500Ar ny saram-pidirana ao an-toerana ho an’ny teratany malagasy, raha toa ka 5 000Ar kosa ho an’ny teratany vahiny. Misokatra maimaimpoana kosa ny toerana ho an’ny mpianatra rehefa alarobia tolak’andro.

Fermer