KolontsainaSongadim-baovao

OLAN’NY MPANAKANTO SY NY ZON’NY MPAMORONA : Nandray ny asany ny tale vaovaon’ny OMDA

Tanteraka omaly ny famindram-pahefana teo amin'ny tale vaovao, Andriamatoa Rarivojaona Joelinirina Nomenasoa sy ny tale mpisolo toerana Randrianirina Rogesselin izay nitantana nandritra ny volana maromaro. Raha tsiahivina dia notendren’ny Filan-kevitry ny minisitra tamin’ny 12 avrily 2023 lasa teo ny Tale vaovao misahana ny OMDA.

Heritaona mahery izao no tsy nandray ny zon’ny mpamorona tokony hisitrahan’izy ireo ireo mpanakanto mpikambana eo anivon’ny Ofisim-pirenena misahana ny Zon’ny mpamorona na ny OMDA. Antony nahatonga izany, raha tsiahivina, ny tsy fisian’ny Tale voatendry ara-dalàna teo anivon’ity rafitra ity, fa Tale mpisolo toerana ihany no nanao ny fampandehanan-draharaha. Tao anatin’izany, ny fanangonam-bola (na ny perception) no azo natao, fa tsy azo nirosoana kosa ny famoaham-bola. Ny herinandro lasa teo, nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanendrena an’andriamatoa Joelinirina Rarivoson ho Tale vaovaon’ny OMDA. Omaly maraina no notontosaina ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Tale mpisolo toerana Randrianirina Rogesselin.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nanamafy ny fahavononany amin’ny fametrahana ny hasin’ny zon’ny mpamorona ny tenany. “Tsy misy andro tsy handrenesana hira, na hijerena sarimihetsika, na hihainoana tantara amin’ny haino aman-jery sy ny sehatra maro samihafa. Hamafisina hatrany ny fampanarahan-dalàna ireo mpampiasa sanganasa, mba hanajan’izy ireo ny zon’ny mpamorona”, hoy ity Tale vaovaon’ny OMDA ity. Laharam-pahamehana koa, hoy izy, ny fampisitrahana ny mpamorona ny zony amin’ny sanganasany izay nampiasaina. “Tohizina ny ezaka amin’ny fampiasana ny fitaovana sy ny fomba fiasa manaraka ny fenitra iraisampirenena ho an’ny orinasa mpitantana ny zon’ny mpamorona”, hoy ny fanazavany.

Tsy diso safidy

Nilaza ny Sekretera jeneralin’ny Minisitera, izay nitarika ny lanonana famindram-pahefana omaly, fa tsy diso safidy ny Minisitera satria teknisianina mizara sy mitovy fijery amin’ireo ezaka fanavaozana rehetra efa natao ny Tale vaovao, ary efa lehibena Sampandraharaha teo anivon’ny OMDA no sady manana mari-pahaizana amin’ny resaka « propriété intellctuelle » ihany koa. Ary resy lahatra ny Tale vaovao fa ny fanamby manova sy manavao ary manaraka ny toetr’andro (modernisation, digitalisation) apetraky ny Minisitera no kihon-dalana tsy azo idovirana hampivoatra ny OMDA.

Fermer