Songadim-baovaoSosialy

FAHATAPAHAN-JIRO ETO ANTANANARIVO: Olana ny tsy fahampian’ny solika mavesatra

Nihamafy ny fahatapahan-jiro ho an’ireo mpanjifa izany eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo, tato anatin’ny andro vitsivitsy izao. Maro ireo mitaraina, vokatr’izany, indrindra ireo izay manana fivelomana miankina amin’ny fampiasana herinaratra. Raha ny fanazavana avy amin’ny orinasa Jirama, ny tsy fahampian’ny solika mavesatra hamokarana herinaratra eto amin’ny tambazotra iraisan’Antannarivo no anton’izany ka voatery tsy maintsy miroso amin’ny fanapahana jiro mifandimby izy ireo ho fitsitsiana ny solika eo am-pelatanana. Araka ny fantatra, maharitra ora roa sy sasany eo ny fahatapahana ho ana faritra iray. Miezaka mampahafantatra ny fandaharam-potoana amin’ny fahatapahana, eny amin’ireo seha-pifandraisana rehetra, ny avy eo amin’ny Jirama.

Ankoatra io tsy fahampian’ny solika mavesatra io, isan’ny antony iray mahatonga ny fahatapahana ihany koa ny tsy fandoavan’ireo orinasa maro ny trosan’ny orinasa Jirama, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Andriamanampisoa Solo, omaly. Izany anefa dia miteraka tsy fahafahana manefa ny volan’ny mpamatsy solika.
Manoloana izany, vahaolana heverina fa hampiova ny zava-misy ankehitriny ny fandoavan’ny tsirairay ny trosany. Raha ny fampahafantarana avy amin’ny Jirama hatrany, haato avokoa ny famatsiana herinaratra sy rano ho an’ireo olon-tsotra, orinasa madinika, vaventy na salantsalany, tsy manefa ireo trosany ireo araka ny fotoana nifanomezana. Mialoha izany anefa, efa misy ny fampahafantarana ny mpanjifa ao anatin’ny faktiorany, mahakasika ireo vola tsy nohefainy teo aloha ireo.

Isan’ireo vahaolana lavitr’ezaka heverina fa hamaha ny olan’ny fahatapahan-jiro matetika ihany koa ny fanafainganana ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro miisa 37, raha ny fanazavan’ny Minisitra mpiahy hatrany. Haparitaka any amin’ny distrika miisa 37 ireo ka hahafahana miala amin’ny fiankinan-doha amin’ny solika ny fampiharana azy. Ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo manokana, hafainganina ihany koa ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro ka isan’ireo hatomboka tsy ho ela ny famokaratra 20MW ao Moramanga.
Araka izany, antenain’ny maro ny hiravonan’ity olana amin’ny famatsiana jiro ity satria sehatra maro no mifampiankina amin’ny herinaratra.

Sarobidy Sidonie.

Fermer