Songadim-baovao
TALE JENERALY MAHADINY GIRARD : « Tohizina sy irosoana hatrany ny Fanavaozana ny fitantanana ny asam-panjakana »
Marolafy ny fanavaozana momba ny asam-panjakana. Efa miroso amin’ny fanavaozana ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ny Minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy. Tafiditra ao ny fametrahana ny olona eo amin’ny sehatrasa mifanandrify aminy, eny anivon’ny minisitera isan-tokony. Nitondra fanazavana ny Tale jeneralin’ny Asam-panjakana, Mahadiny Girard Bernardin…

Marolafy ny fanavaozana momba ny asam-panjakana ! Nasongadin’ny Tale jeneralin’ny Asam-panjakana, Mahadiny Girard Bernardin, omaly tetsy amin’ny birao fiasany, fa « efa miroso amin’ny fanavaozana ny fitantanana ny raharaham-panjakana, eo anivon’ny asam-panjakana, izany fanavaozana izany. Tafiditra ao ny fametrahana ny olona eo amin’ny sehatrasa mifanandrify aminy ». Efa nirosoana, ohatra, ny fandrafetana ilay sehatrasam-panjakana misy tsirairay avy eo anivon’ny minisitera, mifanindran-dalana amin’izany, ny olona andrasana amin’ilay toerana. « Efa minisitera efatra no nahavitana izany, ary efa nanomboka tamin’ny roa taona lasa no ho mankaty no nanatanterahana azy, ary efa natolotra azy ireo izany », hoy hatrany ny Tale jeneralin’ny Asam-panjakana, Mahadiny Girard Bernardin. Tafiditra ao ny minisiteran’ny Toekarena sy vola, ny ministeran’ny Filaminana anatiny, ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ary ny minisiteran’ny Fitsarana.
Minisitera maromaro hovitaina…
Ezaka lehibe izany fametrahana ny olona eo amin’ny sehatrasa mifanandrify eo amin’ny asam-panjakana, satria tsy vitan’ny minisiteran’ny Asam-panjakana irery, fa iaraha-miasa amin’ny minisitera samihafa. Ilaina, araka izany, ny manana azy io, mba hahafaha-maminavina ilay mpiasa ho apetraka amin’ilay toerana eo anivon’ny asam-panjakana. Zava-dehibe io, satria matetika apetraka amina sekretera, ohatra, kanefa tsy mahay akory izany asa izany ilay olona mandray ny toerana. Ezaka mbola mitohy ary ezaka mbola ho atao, amin’ny fitantanana ny asam-panjakana io. Ankoatra izay, zava-dehibe ho an’ireo tanora vao miditra amin’ny sehatry ny asa ny fahafantarana ny momba ny asa tokony hataony, ary miditra mianatra asa momba ilay asa tiany hatao, eo anivon’ny sehatry ny asam-panjakana. Tanjona ny hahavitan’ireo minisitera rehetra, saingy olana kely ny fiatoan’ny fiaraha-miasa tamin’ny mpamatsy vola, toy ny Vondrona eoropeanina, saingy efa niverina indray izany.
Tsy niolaka ny Tale jeneralin’ny Asam-panjakana nilaza fa minisitera maromaro no kendrena ho vita amin’ity taona 2023, ary hofaranana amin’ny taona hoavy ny minisitera ambiny, mba hahafahana mizotra antsakany sy andavany mametraka ny olona eo amin’ny sehatrasa mifanandrify aminy. Efa tsy any amin’ny fijerena ilay Mpiasam-panjakana matoatoa, efa tsy any intsony, fa efa mijery indray hoe, Mpiasam-panjakana mahomby sy ahitam-bokatra, ary tsy maintsy apetraka ny fandrindrana ifanaraka amin’izany. Hisy ny fanombanana ny asa ataon’ny tsirairay, araka izany. Rehefa hita elanelanelana, dia tsy maintsy misy vahaolana atao, toy ny fanomezana fampiofanana, na fampiakarana fahaiza-manao sy fanatsarana ny traikefa sy haizatra. Rehefa hita fa mbola mitoetra ny elanelana, dia irosoana, ny fanovan-toerana ohatra. Mety misy ireo mpiasa no miroaroa saina, ny amin’ny mety fandroahana, saingy tsy tonga amin’izany, fa famindran-toerana na fanovan-toerana no tanterahina, raha ny fanampim-panazavana.




