Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FARI-DRANOMASIN’I SEYCHELLES : Avotra ireo Malagasy 18 narendriky ny sambo

Teratany Malagasy 18 no tafaverina soamantsara an-tanety eto an-tanindrazana rehefa avy nentin'ny sambo Seychellois Saya de Malha ka nafindra tamin'ny Patrouilleur Côtier Malaky ny marainan'ny 25 aprily 2023 teo. Natolotra ireo manampahefana ao Nosy-Be Hell ville izy 18 ireo mba ho fanadihadiana ny antony nahitana azy ireo tany amin'ny fari-dranomasina “Zone Économique Exclusive” an'ny Nosy rahavavy Seychelles.

Mifanome tanana amin’ny fanatontosana ny hetsika fampandriam-pahalemana an-dranomasina, eto Madagasikara ireo mpisehatra an-dranomasina rehetra. Tafiditra amin’izany ny avy eo anivon’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale), ny CFIM (Centre de Fusion d’Informations Maritime), ary ny Tafika Andranomasina. Ny marainan’ny 25 aprily lasa teo, ohatra, teratany malagasy miisa 18 no tafaverina soamantsara an-tanety, teto an-tanindrazana, rehefa avy nentin’ny sambo seychellois iray ka nafindra indray tamin’ny sambo malagasy PC MALAKY.

Raha ny zava-nitranga, tany amin’ny fari-dranomasina seychellois no nilentika ny sambo hazo nitondra ireo olona ireo. Ny tompon’andraikitry ny fiarovana ny sisin-tany tany Seychelle no nahatsikaritra izany ka nandefa sambo hahafahana manavotra azy ireo. Mba ho fikarohana ny tsy fanarahan-dalana sy hikatsahana ny fandriam-pahalemana eny an-dranomasina, nandefa ny PC MALAKY hanatanteraka iraka sy fisafoana any amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ny CRCO (Centre Régional de Coordination des  ) sy ny CRFIM. Tamin’izany fotoana izany no nifanojo tamin’ilay sambo nanavotra ireo olona tratran’ny loza, ary nafindra avy hatrany tamin’ny sambo avy eto an-toerana izy ireo.

Araka izany, avotra soamantsara avokoa ireo olona 18 ireo. Ankehitriny kosa anefa, natolotra ireo manam-pahefana ao Nosy Be Hell Ville izy ireo mba hanaovana fanadihadiana ny antony nahatongavany ho any amin’ny fari-dranomasin’ny Nosy rahavavy. Ny tranga toy izany mantsy no mety hampirongatra ny fiondranana an-tsokosoko any amin’ireo Nosy manodidina antsika ireo.

Sarobidy Sidonie.

Fermer