PolitikaSongadim-baovaoSosialy

TAGNAMARON’NY FANDRIAMPAHALEMANA : Nahazo « Poste fixe »-n’ny zandary ny ao Ambatosoratra Ambatondrazaka

Nitaraina noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ny ben’ny tanana sy ireo fokonolona any amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambatosoratra Ambatondrazaka, ka nangataka tamin-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, minisitra mpiahy ny faritra Alaotra Mangoro sady Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom ny mba hanampiana azy ireo hanangana ny biraon’ny tobin-janam-paritry ny zandarmaria any an-toerana. Efa nisy tranon’ny Kaominina azo hananganana azy fa saingy ratsy dia ratsy io trano io ary tsy azo nampiasaina intsony. Nanaiky ny fangatahan’ny mponina Ramatoa Minisitra mpiahy, ka rehefa nifampidinika tamin’ny Kaomandin’ny vondron’ny Zandarimaria Alaotra Mangoro tamin’izany, ny Kolonely Livah Andrianatrehina, sy ny ben’ny tanana dia nanapa-kevitra fa hanamboatra ny trano. Tafiditra indrindra anatin’ny fanatanterahana ny Tagnamaron’ny fandriam-pahalemana izao fiaraha-misalahin’ny rehetra izao.

Ny 11 febroary 2023 no nanomboka ny asa, vita soamantsara izany ankehitriny ka dia notokanana omaly ary natolotra ny zandary izay avy hatrany dia hanomboka hiasa any. Hanampy betsaka amin’ny famahana ny olan’ny tsy fandriam-pahalemana ho an’ny mponina ny fisian’ity tobin-janam-paritry ny zandary any Ambatosoratra Ambatondrazaka ity.

Tsara ho fantatra fa ny Minisitry ny asa vaventy ankehitriny, izay kaomandin’ny vondron’ny zandarmaria Alaotra Mangoro teo aloha, no namatsy fitaovana ity « poste fixe » ity. Marihina fa niara-nitokana sy nanolotra ity fotodrafitrasa ity tany an-toerana koa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jeneraly Josoa Rakotoarijaona sy ny Kaomandin’ny Zandarmariam-pirenena ny Jeneraly Andry Rakotondrazaka izay nandalo tany Ambatondrazaka, omaly. Nandritra ny lahateny nataon-dRamatoa minisitra mpiahy, Lalatiana Rakotondrazafy no nanaovany fanentanana ny fokonolona hisoratra anarana amin’ny fahazoana ny karatany izay fandaharanasa lehibe ataon’ny Filohan’ny Repoblika hiarovana ny tany mba ho an’ny vahoaka malagasy.

Fermer