Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

SERANAM-PIARAMANIDINA NOSY BE: Sarona ny volamena nokasaina aondrana any Dubai

Bolongam-bolamena, na "lingot d’or" miisa efatra, milanja 2,958 kg no tratra tamina vehivavy teratany malagasy iray saika ho any AddisAbeba, tao amin’ny Seranam-piaramanidina Nosy Be, nandritra ny fiomanana hiondrana tamin’ny sidina ET 836, Ethiopian Airlines” ny sabotsy 29 aprily teo.

Mpandeha vehivavy teratany malagasy iray saika handeha ho any AddisAbeba no nahatrarana volamena “lingot” efatra milanja 2,958 kg. Nandritra ny fiomanana hiondrana tamin’ny sidina ET 836, Ethiopian Airlines”, ny sabotsy 29 aprily 2023 maraina lasa teo, no niseho ity tranga ity. Nampiahiahy ireo mpiasan’ny Fadintseranana ao amin’ny seranam-piaramanidina Fascène, Nosy-Be, ny fihetsik’ity vehivavy ity, ka izay no nahatonga azy ireo hamerina hisava ny entany. Hita tao anaty kitapon’ity vehivavy ity ary ireo “lingot” efatra ka ny roa nafeniny tao anaty finday ary ny roa ambiny nofonosiny “adhésif” mainty. Nanambara moa ity vehivavy ity fa any Dubai no saika ho entiny ireo volamena ireo. Efa nogiazana ireo volamena ireo ary ilay vehivavy kosa dia nentina any amin’ny biraon’ny Fadintseranana any Hell-Ville hanohizana ny fanadihadiana.

Fanatsarana ara-teknolojia

“Mitohy foana ny ezaka ataon’ny Fadintseranana amin’ny fiarovana ny harem-pirenena malagasy”, hoy ny fampitam-baovaon’ny Fadintseranana malagasy omaly. Izy ireo izay nilaza fa ho apetraka tsy ho ela ao Nosy-Be ihany koa ny “Brigade canine” izay tokony mbola hanatsara ny vokatra eo amin’ny fitiliana sy ny fanaraha-maso ireo mpanondrana an-tsokosoko.

Etsy ankilany, manao ezaka ho amin’ny fanatsarana ara-teknolojia sy mampitombo ireo olony amin’ny fiarovana ny sisintany ny eo anivon’ny Fadintseranana malagasy, araka ny angom-baovao. Eo am-panafarana ny fitaovam-pitsirihana ny vatana ihany koa ny mpitantana ankehitriny, na ilay antsoina hoe “Body scan”. Efa eo am-panamboarana izany fitaovana izany ankehitriny. Lafo ny vidin’ny fitaovana, ka efatra ihany aloha no novidian’ny ladoany. Ny seranam-piaramanidina Ivato, Nosy Be, Toamasina, Mahajanga, ireo aloha no hisitraka azy. Izany no natao dia mba hanatsarana sy hampahomby kokoa ny asan’ny Fadintseranana, araka ny fanazavana.

Fermer