PolitikaSongadim-baovao

FIATREHANA FIFIDIANANA, LFR 2023, « CODE MINIER », … : Hafana ny adihevitra eny amin’ny Antenimieram-pirenena

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy Tsimbazaza ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena ho an’ity taona 2023 ity. Nambaran’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, tao anatin’ny lahateny fanokafana nataony, fa isan’ireo lahadinika goavana amin’ity fotoam-pivoriana ity ny mahakasika ny LFR 2023 sy ny « Code Minier », ary ny lalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

Isan’ny lahadinika andrasan’ny maro eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny mahakasika ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana taona 2023 (LFR 2023). Nambaran’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, fa tokony efa ho hita ao amin’ity LFR 2023 ity ny tetibola feno hanaovana ny fifidianana eto Madagasikara amin’ity taona ity. Tsy tokony hanao fangatahana tetibola etsy sy eroa intsony ny avy eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa tokony hanana tetibola feno hiatrehana ny fifidianana. Etsy ankilany, hojerena manokana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara, sy ireo tolo-dalàna samihafa. Anisan’ny miandry koa ny fifanatrehana amin’ny Governemanta.

« Code minier »

Ankoatra izay, andrasan’ny maro ihany koa  ny fandaniana ny volavolan-dalàna mahakasika ny fehezan-dalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany (Code minier) izay vao nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra herinandro vitsivitsy lasa izay. Zava-dehibe ho an’ny toekaren’ny firenena, hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny ifehezana sy anatsarana io sehatra io, indrindra ny ametrahana fanaraha-maso hentitra amin’ny fivoahan’ny harena, izay tsy ahazoan’ny firenena tombony matetika.

Fiatrehana ny fifidianana

Manoloana ny rivotra politika amin’izao vanim-potoana mialohan’ny fifidianana izao, dia heverin’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena fa hafampana ny fotoam-pivorian’ny Antenimiera amin’ity taona ity, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, nandritra ny lanonam-panokafana omaly. Hatramin’izay no efa nafana foana ny ady hevitra noho i Tsimbazaza « lapan’ny demokrasia », hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Tsy midika ho korontana anefa, hoy izy, ny adihevitra mafana. Ao anatin’ny fanajana sy filaminana ary fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka no anaovana izany.

Amin’izao ankatoky ny firosoana amin’ny fotoam-pifidianana izao dia misy ny mpanao politika mandroso hevitra momba ny hanaovana dinika mialoha ny fifidianana. Eo koa ny fanehoan-kevitra samihafa ataon’ny fiarahamonim-pirenena sy ny FFKM. Ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) kosa, etsy andaniny, mizotra, araka ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ity vaomiera ity. Tafiditra amin’izany ny fanolorany tetiandro hanaovana fifidianana. Eo koa ny fisokafana amin’ny ankolafin-kery rehetra amin’ny fanehoan-kevitra sy fitsirihana ary fanaraha-maso ny asa ataony. Manoloana izany, nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa tokony ho ny voalazan’ny lalàmpanorenana ihany no arahina. Tohizana hatrany ny asa maneho fahavononana hiroso amin’ny fifidianana na tsy fantatra aza ny havoakan’ny rahampitso, hoy hatrany ny nambarany. Notsindriany kosa fa tokony ho hita taratra amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana ny tetibola hahavitana izany fifidianana izany. Ity Filohana Andrimpanjakana ity izay niantso ny olom-pirenena hanamarina ny anarany ao anatin’ny Lisitry ny Mpifidy, eny anivon’ny Fokotany.

Fermer