PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIKASANA HAMONO OLONA: Voaheloka fito taona asa an-terivozona i Raissa Razaivola

Voasazy hanao asa an-terivorozona fito taona i Raissa Razaivola, araka ny didim-pitsarana nivoaka, omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy taorian’ny fitoriana natao azy. Vesatra niampangana azy ny fikasana hamono olona. Manana telo andro ny fiarovana hirosoana amin’ny fandravana ny didy, araka ny lalàna. Raha ny zava-nisy teny an-toerana, tsy nisy tonga niatrika ny mpitsara sy ireo vavolombelona telo avy amin’ireo mpitory, izay efa nanatsoaka ny fitoriana. Noho io dia ny fampanoàvana, misolo tena ny « Ministère public » no manenjika an’i Raissa Razaivola. Tsara ho fantatra fa naharitra adin’ny dimy ny fotoam-pitsarana an’i Raissa Razaivola omaly.

Raha tsiahivina, ity raharaha ity no nampidirana amponja azy voalohany ny taona 2022 . Nolazaina fa nikasa hamono hahafaty an i Paul Sylvestre Koufali Daya i Raissa Razaivola. Fiampangana izay nambaran’ny mpisolovava azy fa tsy mitombina na dia ny amin’ny naha bevohoka niandry andro an-dRamatoa Raissa fotsiny aza, tamin’ny fotoana izay voalaza fa nanaovany izany fikasana izany. Izany hoe, andro vitsy nialohan’ny nahaterahany. Na izany aza anefa, heloka bevava no nitondran’ny teo anivon’ny Fitsarana ilay raharaha kanefa maivana be ny vesatra, araka ny fanazavana hatrany. “Nanao Disqualification correctionnelle ny Mpitsara mpanao famotorana, mbola nanamafy Izany ihany koa ny fisintoman’i Daya Koufali ny fitoriany an i Raissa. Ny mampalahelo anefa dia tsy nanaiky izany ny Procureur général ka nanao fanohanana dia io hotsaraina crime io ihany ny raharaha » hoy ny Mpisolovava azy nialohan’ny fotoam-pitsarana. Andrasana, araka izany, fampakarana ho ataon-dRamatoa Raissa Razaivola sy ny mpisolovava azy. Nambarany rahateo nandritra ny fotoana nivoahany ny efitrano fitsarana omaly fa tsy hanaiky ny didy hatramin’ny farany ny tenany, izay nambarany fa tsy ara-drariny.

Fermer