PolitikaSongadim-baovao

FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY : Ambana ny tsy fahafehezana ny lalàna, ny fiparitahan’ny vaovao diso, ary ny lentam-pahaizana ambany

Noho ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fikirakirana ireo fizaram-baovao samihafa, nahazo vahana ny fiparitahan’ny vaovao diso ka isan’ny ambana voalohany tsy ahafahana mametraka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany. Ankoatra io, tsy azo tsinontsinoavina amin’ny fampiharana ny fahalalahana ihany koa ny tsy fahafehezana ny Lalàna sy ny lentam-pahaizana ambany ho an’ireo mpanao gazety.

Manamarika ny fiatombohan’ny fanatsarana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana miteny manerana an’izao tontolo izao ny fametrahana ny datin’ny 03 Mey tamin’ny taona 1993, ho andro natokana hankalazana maneran-tany ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Porofon’izany ny fitsanganan’ireo haino vaky jery tsy miankina amin’ny Fanjakana maro sy ny firoboroboan’ny fampiasana ireo teknolojia nomerika amin’ny fikirakirana vaovao. Nanomboka teo, nihanivoatra hatrany ny tontolon’ny fanomezam-baovao. Nanampy tosika io ny fisondrotan’ny fampiasana ny aterineto sy ny tambazotran-tserasera ho amin’izay fifanakalozana sy fizaram-baovao izay. Manoloana io anefa, tsapa fa toa gaboraraka loatra sy tsy voafehy ny fampiasana ny aterineto ho fitaovana hifanakalozam-baovao ka antony nahatonga ny Mpandrindra nasionalin’ny Firenena Mikambana monina eto Madagasikara, Issa Sanogo, nilaza omaly fa «Voaambana hatrany ny fahalalahan’ny haino vaky jery, ny filaminan’ny mpanao gazety, ary ny fahazoana miteny. Nahitana fidinana ny toeran’ireo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ary tsapa fa mbola tsy ampy ny fametrahana fahalalahana ho an’ny asa fanaovan-gazety manerana an’izao tontolo izao». Isan’ny nahafahana niteny ireo ny tranga nisy tamin’ny taon-dasa izay nahavoarakitra mpanao gazety am-perinasa niisa 67 mihelim-patratra maneran-tany, namoy ny ainy noho ny antony maro. Nahitana fiakarany 50% izany raha mitaha ny tamin’ny taona 2021. Teo ihany koa ny fahafantarana fa ny ¾ amin’ireo vehivavy mpanao gazety no hiaran’ny herisetra eny amin’ireo tambazotram-pifandraisana. Ary farany ny fandraketana fa ny ¼ amin’ireo vehivavy mpanao gazety maneran-tany ireo hatrany dia mizaka fikasian-tanana.

Filaharana navoakan’ny RSF

Amin’izao fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izao, namoaka tatitra ny avy eo anivon’ny fikambanana tsy miankina “Reporters Sans Frontières” (RSF) ho fanaovana tombana ny ezaka vita sy ny tokony mbola hatao manoloana ny fampiroboroboana io fahalalahana eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety io. Tatitra isan-taona faha-21 ho an’ny RSF io nivoaka omaly io ka isan’ny nisongadina tao anatin’ny fanadihadiana natao tamin’ireo firenena miisa 180 ny voka-dratsin’ny fanelezana vaovao diso ao anatin’ireny fampielezan-kevitra politika ireny, ny odidina ara-toekarena, ary ireo vaovao diso vokatry ny fampiasana ireo teknolojia avo lenta. Araka izany, eo amin’ny laharana faha 101 amin’ireo firenena 180 no misy an’i Madagasikara mahakasika ity fanasokajian’ny RSF momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ity. Nahitana fahaverezan-toerana telo izany raha toa ka teo amin’ny laharana faha-98 no nisy antsika tamin’ny taona 2022.

Mpanao gazety, mamolavola ny toetsain’ny fiarahamonina

Ao anatin’izao fahatsiarovana ny faha-30 taonan’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izao, araka izany, nilaza ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy, fa “Tsy fankalazana fotsiny fa hanaovantsika fandinihana lalina, hahatsapantsika ny andraikitra tokony hiantsorohantsika amin’ny famolavolantsika ny toetsain’ny mpiaramonina amintsika. Isika no mpamolavola izay toetsain’ny fiarahamonina izay. Miankina amintsika izany no maha mpitaiza na tsia izany fiarahamonina izany. Fotoana izao hanaovana izany fandinihina izany, indrindra mikasika ireo ambana ho an’ny asa fanaovan-gazety maneran-tany…”

Nohamafisin-dRamatoa Minisitra hatrany fa “Malalaka ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Miantoka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, izay fahalalahana tsy nisy nihoatra tamin’ny niainantsika tany aloha, ny Lalàna 2020-006 tamin’ny 01 septambra 2020”. Marihina fa andiany fahadimy amin’ny fankalazana tarihin’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy amin’ny maha Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina azy ity tanterahana amin’ity taona 2023 ity. Maro, noho izany, ireo dingana efa nolalovana ho fametrahana hatrany izay fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara izay.

Mifandraika amin’ny zon’olombelona

Mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny faha-75 taonan’ny fanambarana maneran-tany momba ny zon’olombelona ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety amin’ity taona 2023 ity, izay miditra amin’ny fankalazana ny faha-30 taona ihany koa. Izany indrindra no isan’ny mamaritra ny lohahevitra amin’izao andian’ny fankalazana izao ka navoitra tao anatin’ny hoe : «Mamolavola ho avy mamiratra ho an’ny fampanajana ny zo, ny fahalalahana miteny fanoitra ho an’ny fampisitrahana ny zon’olombelona». Manoloana io, nohazavain’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Monica Rasoloarison, fa ny mpanao gazety no isan’ny niandohan’ny famaritana ireny andro maneran-tany ho fisitrahana ny zon’olombelona ireny. Na izany tamin’ny tolona nandraisany anjara mivantana, na ihany koa tamin’ny fampahalalam-baovao izay nosoratany. Isan’ireny, ohatra, ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy. Mbola nofaritany ihany koa fa manampy ny olom-pirenena amin’ny fisitrahana ny zony sy ny fahazoana vaovao marolafy sy voamarina ny mpanao gazety, ankoatra ny mahampanangom-baovao azy, ny mahampikirakira vaovao sy mapanampy ny olom-pirenena amin’ny safidiny. “Tokony hahay haka tahaka ireo fiandohan’ny fampisitrahana zon’olombelona toy ireo tany aloha ireo ny mpanao gazety. Manana adidy sy andraikitra amin’izany isika amin’ny fanatanterahana ny asantsika. Mba ho anisan’ny ho avy mamiratra amin’ny fampanajana ny zo tokoa anie isika. Indrindra amin’izao vanimpotoana mampandroso ny teknolojia izao. Izay fitazovana lehibe eo am-pelantanana ahafahana mampivoaratra ny asa, ny fiarahamonina sy ny firenena. Fa tsy entina hamoahana vaovao hanakorontana, vaovao tsy voamarina…”, hoy hatrany ny fanentanan’ny filohan’ny holafitra miantefa any amin’ireo mpanao gazety.

Ny tambazotran-tserasera sy ny vaovao diso

Rehefa miresaka mahakasika izay teknolojia izay indrindra dia misongadina amin’izao fotoana ny fiparitan’ny vaovao iniana disoana na ireo antsoina hoe “désinformation” sy “fake news”, aranty eny amin’ireo tambazotran-tserasera sosialy, indrindra fa ny Facebook. Mampihena ny lanjan’ity sehatr’asa ny fisiany ka isan’ireo ambana lehibe ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny fiparitahan’ireo vaovao diso ireo. Nambaran’ny Minisitra mpiahy aza fa tsy mijanona eo amin’ny tambazotran-tserasera intsony ireo “fake news” ireo fa efa tonga hatrany amin’ireo haino vaky jery mahazatra andavanandro. Vokany, lasa zary tsy mahataitra intsony ny famoahana vaovao diso eto amintsika.
“Tsia! Tsy fahalalahana ny famoahana vaovao diso. Tsy fahalalahana ny famadihana ny vaovao na ny “désinfirmation” fa ambana ho an’ny fahalalahana. Ary ambana ihany koa ho an’ny demokrasia”, hoy hatrany ny tsindrim-panazavana noentin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ireo ady lehibe iandraiketan’ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny serasera, ny fisorohana sy ny fanentanana rehetra manodidina io vaovao diso io.

Lalàna sy lentam-pahaizana

“Tsy ny Gouvernemanta, tsy ny Fitondram-panjakana, no ambana amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ankehitriny”, hoy hatrany ny fanambaran’ny tompon’andraikitra. Noho izany, tafiditra ao anatin’ireo ambana ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ihany koa ny tsy fahafehezan’ireo mpiantsehatra ny Lalàna mifehy azy. Izany no tsapa satria mbola maro amin’ireo mpanao gazety no tsy mahafehy ireo Lalàna rehetra natao hifehezana ny asa fanaovan-gazety. Vokany, rehefa misy ny tranga iray manodidina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazty dia diso hatrany ny fanehoan-kevitra izay mitranga manodidina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety amin’ny ankapobeny.

Farany kanefa tsy azo tsinontsinoavina ny fahatsapana fa ambany ny lentam-pahaizan’ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana, eto Madagasikara. Mitaha ny zava-bitan’ireo mpanao gazety zokiolona eo aloha, miara-mihaiky izany ny rehetra satria heverina ho isan’ny antony mahatonga izany tranga izany ny hoe: ny sehatry ny asa fanaovan-gazety no sahatr’asa matihanina mbola afaka mandray olona manao gazety na tsy nianatra momba ny manodidina izany akory aza. Hany ka misy fiantraikany, ary ambana iray lehibe ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany.

Fehiny, zava-dehibe hatrany ny fahafehezana ny Lalàna sy ny fametrahana ny mahamatihanina eo amin’ity tontolo iray ity. Izany no heverina fa lalana voalohany mitondra any amin’ny fahalalahan’ny asa. Ho an’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy manokana, tsy manaiky ny fanambaniana ny lentam-pahaizana eo amin’io sehatra io ny tenany. Nohazavaina, araka izany, fa “rehefa ny mpanao gazety iray no tsy manavaka ny “délit de presse” sy ny “délit de droit commun” dia misy ambana izy ny asa fanaovan-gazety. Raha ny mpanao gazety iray no tsy mifototra amin’ny mahamatihanina amin’ny fanaovana fanamarinam-baovao dia ambana ihany koa izay… “Non à la “médiocrité!” satria izay no isan’ny mamotika ity asantsika ity. Ary izay no mahatonga ny olona tsy manome hasina antsika mpanao gazety. Isika ihany anefa no vahaolana hialana amin’izany”.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer