Songadim-baovaoSosialyToekarena

TAMBAZOTRA IRAISAN’ANTANANARIVO: Foana ny fahatapahan-jiro mifandimby

Namoaka vaovao omaly ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo fa “ho foana ny délestage tournant”. Fanapahan-kevitra izay noraisina taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny Minisitra tomponandraikitra sy ny Vondron’ireo kaompanian-tsolika (GPM), nijerena ny marimaritra iraisana amin’ny famatsiana solika.

Noho ny tsy fahampian’ny solika mavesatra enti-mamokatra herinaratra ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo dia voatery niroso tamin’ny fahatapahan-jiro mifandimby na ny “délestage tournant” ny teo anivon’ny Orinasa Jirama, nanomboka ny 22 Aprily 2023 teo. Ny 04 Mey teo, nisy ny fifampiresahana sy fitadiavana marimaritra iraisana amin’ny famatsiana solika, teo amin’ny Minisitra tomponandraikitra sy ny Vondron’ireo Kaompanian-tsolika (GPM). Omaly, noho izany, no namoaka ny vaovao ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo fa ho foana ny fahatapahan-jiro mifandimby. Fanapahan-kevitra izay nihatra nanomboka omaly ihany.

Fampiatoana ataon’ny famokarana herinaratra  « Tozzi Green »

Tetsy ankilany, manoloana ny tsaho sy vaovao miely tao anaty tambajotran-tserasera ara-tsosialy Facebook, omaly. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo fa nolazaina fa natsahatry ny  » Tozzi Green » ny « centrales hydroélectriques » ao Maroantsetra, Sahanivotry ary Farahantsana Mahitsy. Taratasy efa talohan’ny fihaonana sy fifanarahana amin’ny tsy hisian’ny fahatapahana no nisy nanaparitaka iny. Izay ninia nanaparitaka izany no aoka hanazava ny tanjony, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Ny marina,  efa nisy tokoa ny fihaonana sy fifampiresahana ary marimaritra iraisana teo amin’ny tomponandraikitra voalohany, eo anivon’ny minisitera sy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny « Tozzi Green ». Mihodina soa aman-tsara ireo milina rehetra, raha ny fampitam-baovao. Mazava ny voalazan’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Solo Andriamanampisoa : »voavaha ny olan’ny délestage tournant ». Ilaina, araka izany, ny fampitam-baovao tahaka izao satria ny marina mitavozavoza, tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra.

Tao anatin’ny vaovao naely, ny filazana fa ampiato ny famokarana herinaratra ny Tozzi Green Madagascar mandra-pahaloa ny trosa mitentina 250 miliara Ar, amin’ny famokarana herinaratra amin’ny toby Hydelec sy Mahitsy Hydro, izay tsy marina, raha ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny minisitera. Nalefa hatrany amin’ny Filoham-pirenena, Praiminisitra, minisitry ny Vola, minisitry ny Angovo, izany taratasy izany, ho fiarovana ny tombontsoan’ny Orinasa, izay mizaka mavesatra ny karama sy sosialin’ny mpiasa, mizaka ny fanarahana ireo fepetra ho fiarovana ny tontolo iainana, ary ho fiahiana ireo vola nindramin’ny Orinasa any amin’ny banky sy ireo tompon’ny petra-bola eo anivon’ny Tozzi Green Madagascar. Raha ny fanadihadiana anefa, tsy misy afa-tsy olona roa ihany no  nandefasan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Tozzi Green Madagascar taratasy, dia ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny Tale jeneralin’ny Jirama mpisolo toerana. Iza izany no tompon’antoka minia manakorontana sy mahazo tombontsoa amin’ny fanaparitahana vaovao mampiteraka savorovoro toa izao ?

Ny Fanoratana

Fermer