PolitikaSongadim-baovao

FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY : « Kitoatoa ny fanasokajiana nataon’ny RSF », hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy

Navoakan’ny « Reporters Sans Frontière » na ny RSF tamin’ny andron’ny 3 Mey, nanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, fa nihemotra ny toerana misy an’i Madagasikara amin’ny filaharana manerantany amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Voalaza tao anatin’izany fa raha teo amin’ny laharana faha-98 amin’ny firenena 180 isika tamin’ny taon-dasa, dia lasa faha-101 amin’ny firenena 180 tamin’ity taona ity. Nitondra fanazavana mifandraika amin’izay ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy, nandritra ny fandaharana « Tsy ho tompon-trano Mihono », omaly. Nambarany fa tsy mahagaga intsony ny « RSF » satria nanomboka 2020 no nahitana fa manao feon’ny mpanohitra izy ireo. Ary manana olana manokana mihitsy amin’ny Mpitondra eto Madagasikara, raha ny hita taratra amin’ilay fomba fanaovana an’ilay fanasokajiana.

Nahitsy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy omaly raha nilaza fa Kitoatoa ny zavatra resahin’ny « RSF » tao anatin’ny tatitra momba an’i Madagasikara, nahatonga an’ilay filaharana. Nambarany fa ny odidina ara-toekarena no tsarain’ny RSF eto Madagasikara, izay tsy misy ifandraisany amin’ny asa fanavaozan-gazety. Ankoatra izay, manao fanahiniana mihitsy ny RSF tsy miresaka ny lalàna vaovao nananantsika nanomboka 2020, dia ny lalàna 2020-006 tamin’ny 01 Septambra 2020. Efa hatramin’ny tatitra tamin’ny taon-dasa io tsy fampiasana ny lalàna manan-kery ankehitriny io. Nambarany tamin’izany fa manohintohina ny asa fanaovan-gazety ny fisian’ny lalàna 2016-029. Efa namaly ny Fanjakana tamin’izany, ary nanao taratasy nampahafantatra ny RSF fa efa nesorina ireo andinin-dalàna rehetra manohintohina ny fahafahan’ny mpanao gazety, tamin’ny 2016-029. Nivoaka anefa ny tatitra 2023, dia mbola tsy miresaka ny lalàna 2020-006 ihany ny RSF. « Ny RSF izany tsy mba manadihady ny fisiana lalàna vaovao aty ifotony, no tsy mba mamaky akory izay lalàna omena azy ireo any amin’ny foibe”, hoy ny fanazavany. Ny mahagaga dia ny lalàna 2016-029 indray no nambaran’ny RSF ao anatin’ny tatitra fa nanafoana ny fanagadrana mpanao gazety, raha tokony ho ny lalàna 2020-006 no resahiny.

Nametrahan’ny « RSF » olana koa ny fananan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, haino aman-jery, izay voalaza hoe mibahan-toerana. Nilaza anefa ny Minisitra omaly fa haino aman-jery efa nananan’ny Filoha sy ny tenany talohan’ny niakarana teo amin’ny Fitondrana ireo misy ankehitriny ireo. Mahagaga koa, hoy izy, fa ny mpanohitra ny Fitondrana ankehitriny dia manana haino aman-jery maro, izay tena mibahan-toerana eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery, kanefa tsy misy mametraka olana.

Fermer