Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao

RAHARAHA « PRIME » – CHAN 2023: “Omeo ny mpilalao ny prime fa izy ireo no niady mafy”, hoy ny Filoha

Velon-taraina ireo mpilalaon’ny Barea nandray anjara tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (CHAN) farany teo fa tsy mbola nahazo ilay tambin-kasasarana na “Prime” tamin’ny nahazoan’izy ireo ny laharana fahatelo nandritra ny fifaninanana. Raha tsiahivina, dia vola mitentina 500 000 dolara no azon’izy ireo avy any amin’ny CAF nandritra izany, ary ny Federasiona malagasy ny Baolina kitra no mitsinjara azy. Teo indrindra no nipetrahan’ny olana satria voalaza fa tsy misitraka araka ny tokony ho izy ny tambin-kasasarana tokony horaisiny teo mpilalao, araka ny antso avo nataon’izy ireo. Tetsy ankilany, rehefa nitondra fanazavana ny FMF, dia nilaza fa “Ny Prize money” dia valin-kasasarana nomen’ny CAF ho an’ireo mpisehatra rehetra niara-nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ka nahafahan’ny ekipam-pirenena tafakatra teo amin’ny laharana faha-3 tamin’ny CHAN2023. Singanina manokana ny klioba izay nitaiza, nikolo ireo mpilalao antony nahitan’ny FMF azy ireo, ny ligim-paritra izay mandritra ny klioba  ahafahan’izy ireo milalao  sy manao fifaninanana”.

Maro koa anefa, avy eo, ny fanehoan-kevitra nifanohitra tamin’io fanazavana io. Toy ny hoe ny mpilalao ve no niezaka sy nifofotra dia hatramin’ny ligim-paritra hahazo daholo? Sy ny sisa. Omaly, nitondra ny fanehoan-kevitra koa ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelna. “Omeo ny mpilalao ny prime fa izy ireo  no niady mafy! Izy  ireny no nahazo medaille ! Izy ireny  no nitseboka” hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Mahamenatra ny tranga toy izao fa  tokony zaraina, araka ny  rariny sy hitsiny ny prime, araka ny angom-baovao.

Manao antso ny federasionin’ny  baolina kitra ny Filoha Andry Rajoelina manoloana ny fitarainan’ireo mpilalaon’ny Barea chan tsy nisitraka, araka ny tokony ho izy ny « prime ». Mahagaga, hoy ny Filohampirenena, ny mahita hoe toa tsy omen’ny  federasionina  ny mpilalao ny prime. Tsy mety izany ary niantso manokana ny Ministry ny Tanora sy ny fanatanjahantena hijery akaiky izany izy. Ny Filoha Rajoelina rahateo no nampahafantatra mialoha tsirairay tamin’ny mpilalao ny prime azony, arakaraky ny dingana mahatafakatra azy ireo hoy izy.

Ny Fanoratana.

Fermer