
PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA: “Tsy tokony hampiasaina handranitana herisetra ny fahalalahana maneho hevitra”
Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety tao amin’ny “Le Point Afrique” ny Filohan’ny Repoblika malagasy Andry Rajoelina. Fotoana izay niresahany ireo lohahevitra lehibe nosokajian’ny mpanao gazety Malick Diawara fa tokony horesahina, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana ho Filoham-pirenena izao, ka isan’izany ny resaka fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto Madagasikara.
Fanapahan-kevitra noraisin’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny tsy fahazoana manao fivoriana politika an-kalamanjana amin’izao vanim-potoana izao mba hitandroana ny filaminam-bahoaka. Isika rahateo mbola tsy ao anaty vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra. Na dia efa betsaka ny fanazavana mahakasika io fanapahan-kevitra io dia mbola misy hatrany fanehoan-kevitra mifandraika amin’izany. Isan’ireo nitondra ny fanehoan-keviny izao ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina, miasa sy monina eto amintsika, Isabelle Delattre, omaly, raha nanontanian’ny Mpanao gazety. Nambarany fa toy ny Firenen-drehetra manerantany dia manana ny fiandrianany tanteraka ny Fanjakana malagasy mandray fepetra manoloana hetsika politika iray izay heverina fa mety hanohintohina filaminam-bahoaka. Raha izay, hoy ity solontenan’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika ity, dia tsy tokony hametraka olana satria fahefan’ny Fanjakana izany. Ny mampanahy kosa anefa, hoy ity tomponandraikitra ity, dia ilay fandrarana natao amin’ny ankapobeny, izay azo adika ho fanohintohinana tanteraka ny fahalalahana miteny eto Madagasikara.
Mpanao gazety migadra?
Omaly, nivoaka ny lahatsoratra mirakitra ny resadresaka nifanaovan’ny Mpanao gazetin’ny “Le Point Afrique”, Malick Diawara, tamin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, mahakasika indrindra ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara. Nanontanian’ny mpanao gazety fa ny mety ho fiantraikan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana momba ny famoriam-bahoaka, ny fisiana mpanao gazety migadra, ary ny fiatrehantsika ny fifidianana. Nilaza, araka izany, ny Filoha fa firenena demokratika i Madagasikara, ary mandala ny fahafahan’ny olom-pirenena iray. Tahaka ny firenen-drehetra, hoy izy, dia mijery sy manaramaso ny fihetsiketsehana rehetra no ataon’ny Fanjakana, ary mifehy izany mba tsy ho tonga amin’ny fandranitana herisetra sy amin’ny asa ratsy. Noho izay indrindra no nahatonga anay nandray iny fanapahan-kevitra iny ny hifehy izany famoriam-bahoaka izany mba hitandrovana ny fitoniana ara-tsosialy sy ny filaminana.
“Amin’ny maha Filoha ahy, adidiko ny mihazona ny fampanajana ny filaminam-bahoaka. Ekena fa zo fototra ny fahalalahana miteny, saingy tsy tokony hatao hanohintohinana ny olom-pirenena ary tsy tokony hanaovana fandranitana herisetra”, hoy ny Filoha. Mahakasika ny fanagadrana mpanao gazety kosa, izay nanontanian’ny mpanao gazety teo, dia nilaza ny Filoha heloka tsotra no nidiran’ny Tompona orinasa an-gazety iray am-ponja fa tsy misy ifandrainy amin’ny heloka aty amin’ny asa fanaovan-gazety na ilay antsoina hoe “ Délit de presse”.
Raha tsiahivina, tena efa imbetsaka ny fanazavana sy ny fanehoan-kevitra nataon’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolotsaina, Lalatiana Rakotondrazafy nilaza fa ny fahalalahana miteny dia tsy midika ho gaboraraka.Tamin’ny andron’ny 3 Mey 2023 teo no nanazavan’ny Minisitra fa tsy fahalalahana maneho hevitra ny fanelezana vaovao tsy marina sy ny tsaho.




