Songadim-baovao

SENDIKAN’NY MPIASAN’NY INSTAT : Manao antso avo ny Fitondram-panjakana hijery ny olana sedrainy

Namoaka fanambarana ny Sendikan’ny mpiasan’ny Instat omaly, indrindra ireo mpiasa “Contractuel”, manoloana ireo olana sedrainy. Nanambara izy ireo fa ny fandraisana ny fanapahan-kevitra amin’ny fanovana ny satan’ny Instat ho « Administration Générale » na EPA ihany no vahaolana sy hampandroso ary hampilamina ny Instat…

Marobe ireo sendikàn’ny Mpiasa nankalaza ny 1 mey fetin’ny Mpiasa omaly.

Manoloana ny fetin’ny Mpiasa, namoaka fanambarana ny Sendikan’ny mpiasan’ny Instat omaly, indrindra ireo mpiasa “Contractuel”.  Nankasitrahan’izy ireo manokana ny Fitondram-panjakana tamin’ny fitsarana tsy mitongilana ny raharaha fandroahana ireo mpiasa miisa 13, teo anivon’ny Orinasa. Nivaingana ny vokatra azo tamin’izany satria tafaverina tamin’ny asany ireo mpiasa voaroaka ireo. Na teo aza anefa izany fahombiazana azo izany, tsy mbola nivaha ny olana nitoloman’ireo mpiasa ireo. Ohatra amin’izany tsy fisitrahan’ireo mpiasa ny fisotroan-drononony noho ny tsy fandoavan’ny Orinasa ny latsakemboka tokony haloany amin’ny Cnaps, nanomboka ny taona 1996. Marihina fa efa nisy fifanaovan-tsonia teo amin’ireo orinasa roa ireo, tamin’ny taona 2019, amin’ny handoavana miandalana io latsakemboka tsy voaloa io, fa ny fanatanterahana izany no tsy mbola nisy noho ny fahakelezan’ny fidiram-bola ao amin’ny Instat. Olana goavana sedrain’ny Instat koa, ny tsy fisian’ny tetibola ho an’ireo asa fototra (travaux courants) andrasan’ny Fanjakana foibe aminy, toy ny « Comptes nationaux » (famokarana ny PIB), ny Indice des Prix à la Consommation… Nefa ny antontanisa azo avy amin’ireo dia ampiasaina amin’ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana isan-taona (LFI na LFR).

Fanovana ny Sata mifehy ny Instat…

Olana goavana iainan’ny mpiasa koa, ary anisan’ny fototry ny tolona, ny elanelana goavana misy eo amin’ny Mpiasan’ny Instat isaka ny sokajinasa misy azy tsirairay, amin’ny lafiny karama sy  ny tombontsoa isan-karazany, izay mbola mitoetra sy tsy ahitam-bahaolana mihitsy hatreto. Nefa ny asa atao mitovy ihany isaky ny sokajiny misy ny mpiasa tsirairay. Olana koa ary tena goavana indrindra, ny sata (statut)  mifehy ny Instat, izay « EPIC », nefa efa tsy mitombina intsony ary tsy mifanaraka amin’ny Lalàna misy eto amintsika sy maneran-tany noho ny tsy fahaveloman’ny Instat ny tenany, miainga avy amin’ny vola miditra aminy sy ny mbola fianteherany amin’ny fanampiana omen’ny Fanjakana (subvention).   Manoloana izany indrindra,   ny 21  Marsa 2023, efa nisy fivoriamben’ny mpiasan’ny Instat notarihin’ny Tale Jeneraly ho fakan-kevitra amin’ny fanovana io satan’ny Instat io. Nampitaina teny amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, tamin’ny alalan’ny Fampitam-baovao am-bava ary  nalefa tamin’ny filankevitry ny Governemanta, ny tapaka tamin’io fakan-kevitra io ny 10 Aprily 2023.

Araka ny feo tonga amin’ny mpiasa anefa, ny tohin’io fampitam-baovao am-bava io, dia nanambara ny ministera mpiahy ny Instat, fa tsara raha miresaka amin’ny mpiara-miombona antoka amin’ny firenena ny Instat, toy ny Banky Iraisam-pirenena. Mahatsapa sy mahita anefa ny Sendikà miaraka amin’ny mpiasan’ny Instat fa misy olom-bitsy mahazo tombontsoa manokana amin’izao olana iainan’ny toeram-piasana sy ny mpiasa izao. Ireo olona ireo no manao izay tratry ny heriny amin’ny tsy hampihodinana ny Instat amin’izao fotoana izao ary manao izay tsy hisian’ny fanatsarana ao amin’ny Instat.

Noho izany rehetra izany, nanambara ireo mpiasan’ny Instat fa ny fandraisana ny fanapahan-kevitra amin’ny fanovana ny satan’ny Instat ho « Administration Générale » na EPA ihany no vahaolana sy hampandroso ary hampilamina ny INSTAT. Izany dia mba hahatrarana ny tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana sy ireo Mpanohana ara-bola. Izany fanovana ny Sata izany, dia andraikitry ny Fanjakana fa tsy misy hidiran’ny Mpiara-miombona antoka. Araka izany, manao antso avo amin’ny Filoham-Pirenena sy ny Praiminisitra  ary ireo Minisitra ao amin’ny Governemanta  ny Sendikà sy ny Mpiasan’ny Instat, mba handray andraikitra ka hamaha ity olana sedrain’ny mpiasa ity.

Fermer