PolitikaSongadim-baovao

LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : « Tsy mieritreritra hametraka tetezamita ny Fitondrana ankehitriny »

Novoizina mafy tato anatin’ny andro vitsivitsy izay ny resaka firosoana mankany amin’ny Tetezamita. Misy milaza mihitsy aza ny filazam-baovao sasany fa avy ao anatin’ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny no niainga izany fananganana Tetezamita izany. Nitsipaka io vaovao io ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, Mpitondra Tenin’ny Governemanta, omaly, izay nanamafy fa ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ihany no ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Governemanta, izay atao amin’ity taona ity, fa tsy Tetezamita.

“Hisy Filoha teo aloha hitantana tetezamita, ary efa neken’ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny izany,… miainga avy any amin’ny Fiadidiana ny Repoblika mihitsy hono ny fiketrahana Tetezamita », ampahany amin’ireo resabe iniana aely ankehitriny ireo, ankoatra ireo mpisehatra politika izay efa nanao fanambarana mivantana fa mitaky ny idirana amin’ny Governemantan’ny fiaraha-mitantana sy ny Tetezamita. Nitsipaka marin-drano ireo voalaza rehetra ireo ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, Mpitondra tenin’ny Governemanta, omaly, izay nanambara fa fandaharam-potoana iray ihany no ananan’ny Governemanta hatreto, dia ny fikarakarana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika any amin’ny faran’ny taona. Nambarany koa fa mifanojo ny tanjona ho an’ny Governemanta sy ny Vondrona Eoropeanina, raha niainga tamin’ny fanehoan-kevitry ny Masoivohony miasa sy monina eto Madagasikara, afak’omaly, satria samy ny “fandaharam-potoan’ny demokrasia” no laharam-pahamehana. “Aminay Fitondram-panjakana, ny fandaharam-potoan’ny Demokrasia dia ny fifidianana”, hoy ny fanazavany. Efa resahana hatrany eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta sy ny Filankevitry ny Minisitra rahateo ny momba ny tetibola mifandraika amin’izany.

Tsy hitanay ato anaty Fanjakana mihitsy ny mampitombona ny fisiana resaka tetezamita. Inona no manamarina fa tokony hiroso amina tetezamita isika? Ny krizy misy eto amintsika dia ara-tsosialy sy ara-toekarena, izay tsy isika ihany no miaina azy fa manerana an’izao tontolo izao”, hoy ny fanazavany. Tsy misy krizy politika mihitsy eto amin’ny firenena ka manamarina ny firosoana amin’ny tetezamita, hoy hatrany izy.  Raha ny fomba fijerin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta dia “Mangalatra ny fahefana eo am-pelatanan’ny vahoaka malagasy hisafidy an’izay olona tadiaviny hitondra azy ny tontolo politika na ireo izay mikononkonona an’izany tetezamita izany”.

Fahalalahana maneho hevitra

Ankoatra izay, nitondran’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fanampim-panazavana ihany koa ny filazana fa fanohintohinana ny fahalalahana maneho hevitra ny fepetra noraisin’ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Atitany, izay nametraka fepetra ny fahafaha-mamory vahoaka. Notsindriany fa fepetra, araka ny lalàna, no noraisina, ary ny fitandroana ny filaminam-bahoaka no mibaiko ny Fanjakana handray fanapahan-kevitra. Nomarihiny koa fa fiandrianana feno  ho an’ny firenena iray no mamaritra ny fepetra samihafa izay misy azy ao anatin’ny fisitrahana ny fahalalahana maneho hevitra. “Ny andininy faha-19 ao anatin’ilay fifanarahana iraisampirenena mikasika ny “droit civil et politique” izay noresahin’ny sehatra iraisampirenena, ary mbola noresahin’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina ihany koa dia tsy mifanohitra velively amin’ny andininy voalohany amin’ny hitsivolana 60-082 izay nampiana sy novain’ny hitsivolana 62-017 mikasika ny fahalalahana maneho hevitra sy manao famoriam-bahoaka”, hoy ny fanazavany.

Nambaran’ny mpisehatra sasany tokoa mantsy fa efa lany andro ilay hitsivolana 60-082 satria efa tamin’ny taona 1960, ka tokony ho ny fifanarahana iraisampirenena nosoniavin’i Madagasikara no ampiharina. Nazava ny fanehoan-kevitry ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, fa ny mahalany andro na tsia ny lalàna iray dia lalàna ihany, fa tsy ny sehatra iraisampirenena. Dikany, mbola mijanona manan-kery io 60-082 io rehefa tsy mbola misy hitsivolana hafa manafoana azy. Notsindriany anefa fa na ilay hitsivolana tamin’ny taona 1960, na ilay fifanarahana iraisampirenena nosoniavin’i Madagasikara, dia samy nilaza fa azon’ny Fanjakana atao ny manakana fihetsiketsehana rehefa hita fa manohintohina filaminam-bahoaka.

Fermer