PolitikaSongadim-baovaoToekarena
LALÀNA MIFEHY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY: Handalo fankatoavana eny amin’ny Antenimieram-pirenena rahampitso
Nanomboka ny alatsinainy teo no nodinihina nandritra ny asam-baomiera teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ilay volavolan-dalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany eto amintsika. Mpisehatra maro no nakana hevitra sy naneho ny heviny tao anatin’izany, ka araka ny fandaharam-potoana, dia rahampitso zoma no handraisana fanapahan-kevitra mandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina ity volavolan-dalàna ity.
Isan’ireo asam-baomiera nahavory mpisehatra maro ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny tany, izay nanomboka ny alatsinainy teo, araka ny angom-baovao. Ny Vaomieran’ny Harena an-kibon’ny Tany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena no mitarika ny fandinihana azy, ary nakan-kevitra ihany koa ny Vaomieran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanam-bola. Nampiavaka ity asam-baomiera ity, hoy ny Filohan’ny Vaomieran’ny Harena an-kibon’ny Tany, dia nanasana manokana ireo manam-pahaizana mikasika ny Harena an-kibon’ny Tany, ireo fiarahamonim-pirenena, ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ireo mpandraharaha vaventy sy madinika. Maro koa anefa, tetsy ankilany, ireo Depiote tonga naneho ny heviny na dia tsy mpikambana ao anatin’ny Vaomiera voakasika aza. Nanamafy ny Filohan’ny Vaomiera fa tsy nisy faneriterena mihitsy nandritra ny asam-baomiera. Ary araka ny lamina dia rahampitso zoma no handalo fankatoavana eo anoloan’ny Fivoriana itambarambe eny amin’ny Antenimieram-pirenena ity volavolan-dalàna ity.
Notsiahivin’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa ny lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany ankehitriny dia tamin’ny 2005 no nandaniana azy, izany hoe, efa 18 taona lasa. Noho izany, tsy azo ihodivirana ny fanavaozana ny lalàna satria efa betsaka ireo andininy ao amin’izany lalàna izany no tsy mifanaraka amin’ny zava-misy intsony, erantany sy eto Madagasikara. Ankoatra izay, misy koa ny politika ankapoben’ny Fanjakana, niainga tamin’ny Veliranon’ny Filoha, mametraka ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy, ny fanaovana ho matihanina ny fitrandrahana madinika, sy ny fampitomboana ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny Harena an-kibon’ny Tany amin’ny fampitomboana ny Harinkarena faoben’ny firenena. Tsy maintsy jerena, noho izany, ny fanovana ny lalàna. Ny Fanavaozana ny lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany izay efa nandalo an-tanan-tohatra maro, nialohan’izao fahatongavana eny amin’ny Antenimieram-pirenena izao.
Velarantany azo trandrahina
Araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisitra hatrany, isan’ireo fiovana misongadina ao anatin’ity lalàna vaovao mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany ity ny resaka haba sy hetra alaina amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Raha 2% izany teo aloha, dia lasa 5% ankehitriny. Fiovana ao anatin’ny lalàna koa ny fampidirana ny asa sosialin’ny orinasa (RSE) ho lasa tsy maintsy atao ao anatin’ny fitrandrahana Harena an-kibon’ny Tany. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Ankoatra izay, nampidirina ao anatin’ny lalàna koa ny “fonds minier d’investissement social et communautaire”, izay tahirimbola hanaovana asa fampandrosoana avy amin’ny fitrandrahana Harena an-kibon’ny Tany.
Tetsy ankilany, neken’ny mpisehatra rehetra koa ny fampidinana ny velarantany azon’ny karazana fahazoan-dalana hitrandraka halaina. Raha ny lalàna teo aloha, dia 10 000 km2 no azon’ny « permis de recherche » iray trandrahana. Nahena ho 5 000km2 izany amin’izao fotoana. Etsy ankilany, raha toa ka 1 000km2 no azon’ny fahazoan-dalana hitrandraka (Permis d’exploitation) nalaina tamin’ny lalàna teo aloha, ankehitriny dia lasa 500km2 izany. « Tsy tokony hobodoin’ny olom-bitsy ny fitrandrahana fa aleo hisokatra amin’ny olona maromaro. Amin’izao mba tena mitrandraka izay nahazo fahazoan-dalana », hoy ny niraisan’ireo nivory nandritra ny asam-baomiera.




