
PolitikaSongadim-baovao
TAMBERIMBIDY 2% HO AN’NY KAOMININA: Nolanian’ny Depiote nasiam-panitsiana ny Lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny Tany
Ny andininy faha-283 sy ny faha-291 no ivon’ny adihevitra tetsy amin’ny Antenimieram-pirenena omaly, nandritra ny fandaniana ny volavolan-dalàna laharana 005/2023 momba ny fanavaozana ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny Tany. Naharitra ora dimy teo ho eo ny adihevitra sy ny fifandresen-dahatra teo amin’ireo samy Solombavambahoaka. Araka ny voalaza tao amin’io andininy faha-283 io, tamin’ny endriny any avy amin’ny Governemanta, dia tamberimbidy 5% no alaina amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, ka ny 1,5% amin’io dia ho an’ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana (Faritra sy ny Kaominina), ary ny 3,5% dia miditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny Fanjakana Foibe. Rehefa nandeha ny asam-baomiera nandritra ny telo andro mahery, dia tapaka fa natao 2,5% ny tamberimbidy ho an’ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, ary 2,5% ho an’ny Fanjakana Foibe. Ny anton’izany, hoy ireo nivory tamin’ny asam-baomiera, dia ny mba hisitrahan’ny Vahoaka any ifotony tombontsoa marina amin’ny fitrandrahana izay misy any amin’izy ireo. Lalana hahafahana mampihatra marina ny fitsinjaram-pahefana koa io, hoy ny Filohan’ny Vaomieran’ny Harena an-kibon’ny Tany.
Io tarehimarika tapaka tao amin’ny asam-baomiera io, noho izany, no nentina teo amin’ny fivoriana itambarambe omaly. Nitondra soso-kevitra hafa indray anefa ireo Depiote tonga nanatrika ny fivoriana omaly. Nitarika izany ny Depiote Seth Rajoelina, avy ao Fianarantsoa, izay nametraka fa tokony ho 2% no anjaran’ny Faritra sy ny Kaominina, ary 3% ny an’ny Fanjakana foibe. Zava-dehibe, hoy ny fanehoan-keviny, ny fahazoan’ny Kaominina io tamberimbidy 2% io, izay izy ireo mivantana no maka ny tamberimbidy any ifotony. Tsy azo amaivanina ihany koa anefa ny Fanjakana foibe izay misahana andraikitra maro, hoy ny fanehoan-keviny, ka rariny raha omena ny 3% amin’izany tombony azo amin’ny fitrandrahana izany. Saika nirona nankany amin’izay heviny izay ny maro an’isa tao anatin’ny efitrano, ka io hevitra nentiny io lanin’ny maro.
Tsara ho fantatra fa misy lohateny 14 ary andininy 434 ity volavolan-dalàna ity ka andininy 41 tamin’ireo no novaina sy nahitsin’ireo solombavambahoaka nandritra ny asam-baomiera sy ny fivoriambe. Marihina koa fa efa nanomboka ny alatsinainy teo ny asam-baomiera momba ity volavolan-dalàna ity ary niatrika izany hatrany ny Minisitry ny harena akibon’ny tany. Mitodika eny amin’ny Antenimierandoholona indray, araka izany, ny mason’ny mpanara-baovao mahakasika ity volavolan-dalàna iankinan’ny toekarem-pirenena ity.