
Manokana Covid-19
FIVOARAN’NY COVID-19: Nihena 11 ireo mbola tsaboina, 20 ny tranga vaovao
Mihena hatrany ny tahan’ireo mitondra ny tsimokaretina (Taux de positivité), amin’ny fitiliana atao eto amintsika. Ny fitiliana mitohy, na amin’ny alalan’ny PCR na ilay teknika GenExpert. Tamin’ny antontanisa farany navoakan’ny CCO, tsy nisy afa-tsy olona miisa 20 ireo mitondra ny tsimokaretina voatily. Mitombo hatrany ireo sitrana ka lasa 13 832 rehefa niampy 30, ary nisy lavo iray…
Tamina fitiliana miisa 209 natao farany, na PCR na GenExpert, olona miisa 20 no nahitana ny tsimokaretina coronavirus teto amintsika. Mihena hatrany izany taha izany, raha oharina amin’ireo mahafeno fepetra fahasitranana, nanomboka ny faran’ny volana jolay lasa teo. Ny 191 tamin’ireo fitiliana rehetra no PCR, raha ilay teknika vaovao ny 18. Tamin’io antontanisa farany io, nisy olona miisa 30 no indray sitrana, ary tsy atahorana hamindra tsimokaretina intsony. Mitotaly 13 832 izy ireo amin’izao fotoana. Raha ho an’ireo mbola mitondra ny tsimokaretina manaraka fitsaboana indray, dia miisa 836, rehefa nihena 11 nialan’ireo olona efa sitrana sy nodimandry. Mahatratra 14 863 ireo efa nahitana ny tsimokaretina hatramin’izay teto, rehefa niampy ireo tranga vaovao farany. Ny marary mafy nihena valo, ka lasa 45 izy ireo amin’izao fotoana. Nisy olona iray lavon’ny covid, omaly, tany amin’ny faritra Diana, ka mahatratra 192 izy ireo ankehitriny. Raha ny totalin’ny fitiliana fakana singa (PCR) vita hatramin’izay dia mahatratra 57 927, raha 5 734 ny natao tamin’ny alalan’ny fitiliana GenExpert eran’ny faritra ankoatran’Analamanga.
Tranga vaovao, sitrana sy lavo isam-paritra
Ho an’ireo tranga vaovao, sitrana sy lavo isam-paritra dia fantatra fa eto Analamanga ny 15. Ahitana izany amin’ny distrikan’ Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, Antananarivo Renivohitra. Nisy olona miisa roa ihany koa sitrana teto, ary tsy nisy ny lavo tamin’io antontanisa farany io. Ny tao Vakinankaratra tsy nisy tranga vaovao, saingy nisy ny sitrana iray, tsy nisy lavon’ny covid. Bongolava tsy nahitana torak’izany, saingy nisy ny sitrana miisa fito. Tsy nisy maty. Matsiatra Ambony nisy tranga miisa roa, tsy nisy ny sitrana sy lavon’ny covid. Faritra Amoron’i Mania tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy sitrana miisa telo, tsy nisy ny lavo. Sofia nahitana tranga vaovao iray, tsy nisy ny sitrana sy lavon’ny covid. Faritra Boeny tsy nisy tranga vaovao hita, tsy nisy sitrana sy maty. Tao Sava nisy tranga vaovao misa roa, nisy olona iray sitrana ihany koa tany an-toerana. Tsy nisy ny lavo. Diana tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy ireo sitrana miisa dimy, izay mitsinjara isaky ny distrika vitsivitsy. Iray no lavo tany an-toerana. Ao Ihorombe tsy nahitana tranga vaovao ihany koa, saingy nisy sitrana miisa dimy. Tsy nisy ny lavo tany an-toerana. Anôsy tsy nisy tranga vaovao ihany koa, saingy nisy sitrana iray.
Faritra enina ahitana marary mafy
Ho an’ireo marary mafy miisa 45 dia fantatra fa eto Analamanga avokoa ny 29 amin’izy ireo. Ny 18 etsy Befelatanana, ny efatra etsy amin’ny hopitaly HJRA, ny dimy ao amin’ny hopitaly manarapenitra Andohatapenaka, iray ao amin’ny hopitaly manarapenitra Anosiala, ny iray etsy amin’ny CTC Mahamasina. Ankoatr’ireo, misy marary mafy iray ao Antsirabe Vakinankaratra. Andrainjato Fianarantsoa Matsiatra Ambony, misy marary mafy miisa 10, Tolagnaro ahitana iray, ary ao amin’ny faritra Diana misy marary mafy miisa telo.
Ny hendry no anarina…
Tsy reraka amin’ny fampahatsiahivana ireo toromarika tokony hotanterahin’ny tsirairay ny eo anivon’ny Foibem-pibaikoana ny covid-19, tamin’ny alalan’ny Profesora mpitondra teny, Vololontiana Hanta. Nohamafisiny, fa na eo aza ny fihenan’ny fiabon’ny fitiliana atao isan’andro eto amintsika, tsy tokony hanariana avy hatrany ireo fepetra mbola mitombina izany. Isika ihany koa mbola anatin’ny « Hamehana ara-pahasalamana », ka tsy tokony ho varimbariana, noho izany. Nambaran’ny fanadihadiana nataon’ny tany ivelany ireny koa, raha tsiahivina, fa ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay ihany, no antoky ny toe-draharahan’ny covid-19 io, amin’ny firenena iray. Efa natao teto ny fihibohana, maro ireo tsy nahazaka izany, ary hita fa mitady hanimba vetivety ny toe-karena sy ny fiahiana ara-tsosialy izany, ka dia navotsotra tsikelikely. Raha ny fiarovan-tena mahomby indrindra tokoa mantsy, dia ny fihibohana, ary efa voaporofon’ireo manam-pahaizana nanao fikarohana izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny tao Italy, taorian’i Shina. Io no vahaolana tena izy, ary naharesy lahatra firenena maro efa nampihatra azy io, nanomboka volana aprily lasa teo. Saingy na eo aza ny fiverenana tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro, tsy azo atao antsirambina kosa ny ain’ny hafa. Amina toerana maro mantsy, fantatra fa misy sahady ireo tsy manao arotava mandeha eny rehetra eny, mihevitra fa mihena ny tarehimarika nivoaka tato ho ato, ka tsy misy ahiana intsony. Tsy misy sahy manoro sy manitsy azy akory, kanefa izy ireny no atahorana hamindra na hifindran’ny valanaretina. Ankoatra io fihibohana izay efa ialan’ny firenena maro io moa, fantatra fa ny fanaovana arotava, ny fanasan-tanana matetika, ary ny fanajana ny elanelana no tena mahomby ihany koa.