
PolitikaSongadim-baovaoSosialy
LALAMBE MIGODANA ANTANANARIVO-TOAMASINA: Mitohy ny asa amin’ny famaritana ny ampahany voalohany mirefy 80km
Nandiso ny vaovao miparitaka milaza fa miato ny asa amin’ny tetikasa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, omaly, ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Nambaran’ny Minisitera tomponandraikitra fa efa vita tamin’ny novambra 2022 ny fanadihadiana ara-tontolo iainana an’io tetikasa io, fa fanombanana ara-tontolo iainana no atao ankehitriny.
Nanamafy ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy fa mitohy ny asa amin’ny famaritana na « tracé » an’ny lalambe migodana « Autoroute » ampahany voalohany, mampitohy an’Antananarivo sy Anjozorobe izay mirefy 80Km. Mizotra ihany koa ny fanaovana « pré-terrassement » sy ny « ouverture » ary ny lalana handehanan’ireo fiara vaventy hanatanteraka ny asa. Misy kosa anefa ny fandaminana eny an-toerana, noho ny fanaovana tombana ara-tontolo iainana izay mandeha amin’izao fotoana. Anisan’izany ny fampitsaharana ny fikasihana ireo tanimbary, mandra- pahavitan’ny fakan-kevitra sy ny pitsopitsony ara-teknika. Nanantitrantitra ireo tomponandraikitra fa ilain’ny vahoaka sy entina hampandroso ny firenena ny fanatanterahana asa goavana tahaka izao. Tsy maintsy hampifanarahana amin’ny lalàna sy ny fepetra takian’ny tontolo iainana kosa anefa ny tetikasan’ny Filoham-pirenena.
Ho an’ny « autoroute » manokana dia efa vita tamin’ny novambra 2022 ny fanadihadiana na « étude d’impact environnemental » izay tombanan’ny ONE sy ny Komity teknika ankehitriny. Marihina fa ny Ministeran’ny Asa Vaventy no mpandrindra ankapobeny sy tomponandraikitra voalohan’ny asa fanamboarana ny lalambe migodana. Minisitera maro kosa no mifandrimbona amin’ny fanaovana ireo dingana samihafa hanatanterahana ny tetikasa.
Kaominina fito
Tsiahivina fa nisy ny komity teknika natsangana, izay hahitana solontena avy amin’ireo ministera voakasiky ny tetikasa, manaraka akaiky ny tombana ara-tontolo iainana atao, ho an’ity ampahany mirefy 80km ity. Ny Ministeran’ny Asa Vaventy kosa no miandraikitra sy manara-maso ny tetikasa. Tsara ho fantatra fa kaominina fito no handalovan’ny ampahany voalohany amin’ny lalambe mikodana, dia Ambohimanga Rova, Talata Volonondry, Ambohitrolomahitsy, Sadabe, Mangamila, Ambongamarina ary Anjozorobe.
Araka ny fanampim-panazavana hatrany, aorian’ny fandravonana ny tombana no hahazoana na tsia ny « permis environnemental ». Ny fahazoana azy ity no hahafahana manomboka ireo asa goavana amin’ny fanamboarana ny « autoroute ». Hampahatsiahivina fa efa tonga ao Talata Volonondry ankehitriny ireo fitaovana andiany voalohan’ny orinasa Samcrete, ary andrasana afaka andro maromaro kosa ny andiany faharoa.