
Songadim-baovao
FIDAROHANA SIVILY TETSY AVARADOHA : Noroahina tsy ho miaramila intsony izy enin-dahy
Miaramila miisa enina nidaroka olon-tsotra miisa telo, teny Avaradoha, afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 10 ora. Efa voasambotra ireo miaramila nanao herisetra, ary anaovana fanadihadiana eo anivon’ny Zandarimaria. Nandraisan’ny teo anivon’ny Tafika malagasy fepetra izy enin-dahy, ka noroahina tsy ho miaramila intsony. Hiakatra fampanoavana ny raharaha, aorian’ny fanadihadiana…

Nandraisana fepetra avy hatrany ! Miaramila miisa enina nidaroka olon-tsotra miisa telo, teny Avaradoha, afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 10 ora. Efa voasambotra ireo miaramila nanao herisetra, ary anaovana fanadihadiana eo anivon’ny Zandarimaria. Ireo olona telo naratra kosa, dia mbola tsaboina eny amin’ny HJRA Ampefiloha. Araka ny horonantsary miely amin’ny tambajotran-tserasera ara-tsosialy « Facebook » mahakasika fihetsika miharo herisetra nataona miaramila maromaro, afakomaly alina, teny Avaradoha. Nidina ifotony nanao fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria nasionaly Antananarivo Renivohitra, izay notarihan’ny Komandin’ny vondron-tobim-paritra Antananarivo Renivohitra, omaly tamin’ny 08 ora. Rehefa natao ny fanadihadihana momba ny zava-nitranga, ny alin’ny alarobia 17 hifoha 18 mey, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, miaramila mamo miisa enina teo amin’ny fokontany Avaradoha, anatin’ny boriborintany fahatelo, Antananarivo Renivohitra, izay nigafy sy nanakorontana ary nikasi-tanana olon-tsotra, izay niteraka faharatrana mafy ho an’olona miisa telo. Fantatra fa ireo olona telo naratra, izay samy mipetraka eny Avaradoha avokoa. Ny fanadihadiana savaranonando natao no nahafantarana fa tsy nisy fifamaliana na ady tamin’ireo miaramila, fa izay olona nifanena tamin’izy ireo, dia novonoina sy voakasi-tanana avokoa. Rehefa natao ny fidinana ifotony, fantatra fa miaramila miasa eny amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana (Cenhosoa) ireo miaramila nanao izao fandikan-dalàna izao.
Voaroaka tsy ho miaramila…
Manoloana ny tranga niseho afakomaly alina, mikasika ny fikasihan-tanana sivily nataon’ny miaramila teny Avaradoha. Nandray fepetra hentitra ny teo anivon’ny Tafika nampihatra ny sazy farany henjana, mitarika ny fandroahana azy ireo avy hatrany tsy ho isan’ny miaramila intsony. Manamafy ny Tafika fa tsy miaro na mitaiza olon-dratsy ka natolotra avy hatrany ny Zandary izy ireo, hatao fanadihadiana lalina alohan’ny hanolorana azy eny amin’ny fitsarana. Marihina fa tsy tao anatin’ny fotoana fiasana no nitranga ny olana, ary mbola manatanteraka ny fanompoam-pirenena (PDL) izy ireo. Izany no natao, mba ho anatra ho an’ireo izay mihoa-pefy, manimbazimba ny soatoavin’ny Tafika. Efa noraisin’ny Tafika an-tànana tsaboina eny amin’ny Hopitaly miaramila ireo naratra. Mitondra ny fialan-tsiny ho an’ireo niharan’ny herisetra sy amin’ny fianakaviany ny Tafika Malagasy.