Songadim-baovao

DAHALO MPAKA AN-KERINY AO ANDILAMENA : Nolavin’ny Zandary ilay volabe 20 tapitrisa Ar tambin’ny famotsorana

Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo roa, antsoina hoe Legavo sy Taikafe, isan’ireo ao anaty tambajotran-dahalo mpaka an-keriny sy mpampanofa basy, ao amin’ny distrikan’Andilamena. Tamin’ny fahatrarana azy ireo, ny 15 mey lasa teo, dia saika hanao kolikoly hanolotra volabe, mitentina 20 tapitrisa Ar tambin’ny famotsorana azy ireo roa lahy, saingy nolavin’ny zandary any an-toerana…

Ilay dahalo lavon’ny zandary nandritra ny fifanjevoana.

Vokatry ny ezaka nataon’ny fokonolona sy ny zandary mifehy ny faritra Bemaitso sy Antanimenabaka taorian’ny fahazoana loharanom-baovao marim-pototra, dia tra-tehaka teo am-panaovana asa ratsy ireo tambazotra jiolahy, antsoina hoe Legavo sy Taikafe,  ny alin’ny 15 mey, tokony ho tamin’ny 7 ora tao Ambatomalama, kaominina ambanivohitra Bemaitso, distrikan’Andilamena. Nisavorovoro ny mponina sy ny manodidina manoloana izany ary saika feno fahatahorana ny ankamaroan’izy ireo nanamafy ny fitarainana tamin’ny fijaliana nampitondrain’ireto dahalo ireto. Tsy niandry ela ny Kapiteny Tobiasy Komandy ny Vondron-tobim-paritra Andilamena raha vantany vao nahare izany, ka nidina tany an-toerana. Ankoatra ny maha dahalo mpamerin-keloka amin’ny halatr’omby azy ireo, anatin’ny tambazotra mpamatsy fitaovam-piadiana, no sady mpaka an-keriny  izy roa lahy ireo.  Araka ny fakàna am-bavany azy ireo, mbola misy basy lava  miisa telo ary basy fohy iray nampanofain’izy ireo, any amin’ny  Kaominina ambanivohitra Maroadabo, Ampondrabe ary Marovato, izay samy anatin’ny Distrika Andilamena.

Nandrabiraby volabe 20 tapitrisa Ar…

Isan’ireo ikoizana amin’ny fampandrian-tany ny Kapiteny Tobiasy sy ny ekipany.

Nentina avy hatrany izy roa lahy ireto nihazo ireo toerana voalaza ho nampanofana ny basy. Teo am-piaingana, niangavy mafy ny Kapiteny Komandy ny vondron-tobim-paritra Andilamena ireto farany, mba tsy handehanana any fa hanefa vola 10 tapitrisa  Ariary isan’olona. Marihina fa fomba fanaon’ny dahalo any amin’ny Faritra Andilamena ny mividy ny tompon’andraikitra ara-panjakana, amin’ny lelavola ambony dia ambony. Tsy nanaiky izany ity Manamboninahitra ity, fa nanery azy ireo, hanoro ny toerana nanaparitahaa ireo fitaovam-piadiana. Vokatr’izay tsy fanekena ny fangatahan’izy ireo, ny handraisana ny 20 tapitrisa ariary izay, nitady hevitra hatrany ny handosirana ireto dahalo ireto. Vokatry ny fifanjevoana tao anatin’izany rehetra izany no nahalavon’ny bala ny Zandary azy roa lahy ireto. Araka ny fanadihadiana, 600.000 Ar isam-bolana no ampanofan’ireto tambazotra ireto ny basy iray. Mitohy ny hetsika fampandriana fahalemana mialoha, mandritra ary aorian’ny fankalazana ny fetim-pirenena 2023. Fa indrindra ny fiomanana amin’ny fifidianana ao anatin’ny filaminana tanteraka. Tiana  ny manamarika fa nanomboka ny taona 2017, niaina tao anatin’ny fahalotoana tanteraka ny tontolo ambanivohitra, ao anatin’ny Distrikan’Andilamena sy ny manodidina, noho ny afitsoky ny asan-dahalo. Anisan’izany ny kaominina ambanivohitra  Bemaitso, Antanimenabaka, Maroadabo ary Marovato. Nitaintaina sy nitebiteby fatratra ny vahoaka, indrindra ny tantsaha tamin’ireo faritra ireo, amin’ny fanafihana mitam-basy sy fandravana misesy ary feno habibiana nataon’ireo tambazotra, indrindra ny fakàna an-keriny tato afara. Anisan’ny nikoizana ary nokarohina fatratra ho nahavanona ireo voalaza ireo, ireto dahalo lavo ireto,   nanomboka ny taona 2018. Velom-pisaorana ny Zandarimaria ny vahoaka, raha toa ka nankasitraka sy nanentana azy ireo koa tamin’ny fahombiazan’ny Tagnamaron’ny Fandriampahalemana.

Fermer