PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FANDOAVANA « BOURSE », KARAMA, RAHARAHAM-PANJAKANA: Misongadina ny asa vitan’i Madagasikara ho fampiroboroboana ny nomerika

Tanterahina eto Madagasikara nanomboka omaly, ary mitohy amin’ity anio ity ny fikaonandoha ho an’ny fanovana ny haitao ara-kajimirindra eto Afrika na ny “Assises de la Transformation Digitale en Afrique (ATDA)”. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy omaly ny Filoha Andry Rajoelina, ary nitanisa ireo ezaka efa vitan’i Madagasikara mahakasika ny fampiroboroboana ny nomerika tato anatin’ny efa-taona.

Nahavita dingana tsara i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny nomerika, raha aty amin’ny sehatra afrikanina manokana no asian-teny. Tato anatin’ny efa-taona monja, tokantrano maherin’ny 500 000 teto Antananarivo Renivohitra no nisitraka karinem-pokontany misy QR Code, izay nanamora ny fitsinjarana ireo fanampiana ho fiatrehana ny covid-19 sy ny fanisana ny mponina. Eo ihany koa ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite sy ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasam-panjakana. Araka ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, raha vola mitentina 47 miliara Ariary no nivoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana teo aloha tamin’ny fandoavana ny vatsimpianaran’ny mpianatra, dia lasa 29 miliara ariary rehefa tonga “digitalisation”. Toy izany ihany koa ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana, izay namoahana 40 miliara Ariary teo aloha, kanefa lasa 24 miliara ariary izany rehefa tonga ny “digitalisation ». Midika izany fa nahavita nanao tahiry i Madagasikara rehefa niditra tamin’ny fampiasana ny nomerika. Ankoatra izay, toerana hahafahana misitraka wifi maimaim-poana miisa 103 kosa no napetraka manerana ny Nosy ary 410 hafa no mbola hapetraka hatramin’ny faran’ity taona ity.

Nohamafisin’ny Filoham-pirenena fa ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra no anisan’ny fanoitra lehibe tsy azo ihodivirana amin’ny fampandrosoana ny firenena, fa ihany koa mandray anjara lehibe amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana ao anatin’ny mangarahara ary indrindra mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fahombiazan’ny tolotra omena ny vahoaka eny amin’ireo biraom-panjakana.

Fampiasam-bola

Nambaran’ny Minisitry ny Paositra, sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny Haitao ara-kajy Mirindra, Tahina Razafindramalo, fa efa mivelatra ny sehatry azo ampiasam-bola amin’ny tontolon’ny nomerika eto Madagasikara. Isan’izany ny resaka fandraisana antso na “Call Center”. Tsy vitsy ihany koa ireo tanora mamorona orinasa kely mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny nomerika (Startup). Mbola nohamafisin’ny Filoha mpanorina ny “Assises de la Transformation digitale en Afrique -ATDA” fa isan’ireo firenena manan-karena tanora voaofana amin’ny sehatry ny nomerika i Madagasikara, ka tokony hotrandrahana izany. Io indrindra no anisan’ny anton’ny safidy ny amin’ny fampiantranoan’i Madagasikara ny andiany faha-12 amin’ny ADTA.

Fifampizarana

Araka izany, nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fikaonan-doha momba ny fanovana sy fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra eto Afrika (ATDA) tetsy amin’ny Novotel Convention Center ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 19 may 2023. Ity Fikaonan-doha ity dia natao hanomezana sehatra ireo mpikatroka iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra avy amin’ny sehatra marolafy, ka natao hifampizarana ireo fomba fanao tsara sy hijerena ireo sakana sy hanomezana vahaolana mahomby eo amin’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Firenena miisa 60 no mandray anjara amin’ity fihaonana ity, ka ny 40 no manatrika mivantana, raha toa ka mandray anjara amin’ny alalan’ny ampitaindavitra kosa ny 20 ambiny.

Notanterahina eto Madagasikara ity andiany faha 12 ny ATDA noho ny fahatsapan’ireo mpikarakara ireo ezaka sy ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana malagasy hanome lanja ny haitao ara-kajy mirindra ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana. Velirano faha-11 nataon’ny Filoha Andry Rajoelina rahateo ny fanaovana an’i Madagasikara ho maoderina amin’ny alalan’ny fanovana sy fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny sehatry ny raharaham-panjakana sy ny toekarena nomerika.

Fermer