
PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FANDRAHARAHANA, FAMORONANA ASA SY ORINASA,…: Nolanian’ny Depiote ny lalàna vaovao hifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara
Nisy lesoka ka tsy nahafahana nampandroso na nampiroborobo ny toekarena teto amintsika ilay Lalàna momba ny fampiasam-bola tamin’ny tamin’ny taona 2007. Antony namolavolana ny rijanteny vaovao hasolo azy, araka ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Edgard Razafindravahy, izay nitondra ny volavolan-dalàna 003-2023 mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara.
« Izy io dia ho fanatanterahana ireo velirano nataon’ny Filoham-pirenena. Raha misy velirano atao amin’ny vahoaka dia tsy maintsy misy fanavaozana ny Lalàna ahafahana manatanteraka izany velirano izany. Hita teto androany (ndlr: omaly) fa na ireo solombavambahoaka mpanohitra na ny solombavambahoaka miaraka amin’ny fitondrana dia niray hevitra fa ilaina tokoa izany lalàna momba ny fampiasam-bola eto amintsika izany”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy omaly teo am-pivoahana ny fivoriana itambaram-ben’ny Antenimieram-pirenena.
Fananganana orinasa
Omaly, araka izany, no nolanian’ny Depiote ity Volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara ity, izay ahitana Toko folo sy andininy 35. Mivoitra anatin’izany ny fanamorana ny fikarakarana ny fananganana orinasa, fametrahana safidy mazava tsara eo amin’ny sehatry ny famahana olana, fanitarana ny sehatra ifandaminana anatiny manoloana ny olana misy eo amin’ny mpampiasa vola avy eto an-toerana sy ny Fanjakana Malagasy. Tsy hisy intsony ny mizana tsindrian’ila fa hitovy avokoa ny herijika, na ho an’ny mpampiasa vola teratany malagasy na vahiny.
Araka ny fandaharam-potoana dia anio kosa indray no hiditra amin’ny asam-baomiera eny amin’ny Antenimieran-doholona etsy Anosikely ity Volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara ity.
Nangonin’i LR.