PolitikaSongadim-baovao

LAPAN’I TSIMBAZAZA: Hiatrika ireo Solombavambahoaka ny Governemanta manomboka anio

Araka ny fandaharam-potoan’ny Antenimieram-pirenena dia amin’ity anio ity no hanomboka ny fifanatrehana eo amin’ny Solombavambahoaka sy ny Governemanta, izay tsy hifarana raha tsy amin’ny 31 Mey 2023 izao. Ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Minisitra 4 no fantatra fa hihaona voalohany amin’ny solombavambahoaka anio.

Araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-101 ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia isaky ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana voalohany no anoloran’ny Governemanta amin’ny Antenimierampirenena ny tatitra momba ny fanatanterahana ny fandaharanasany. Arahina adihevitra mahakasika ny asan’ny Governemanta sy ny fanombanana ny politikampanjakana ny fanolorana. Araka izany, amin’ity anio no voafaritra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Antenimieram-pirenena fa hanatanterahana io fifanatrehana io. Fihaonana izay haharitra dimy andro, hatramin’ny 31 Mey izao. Amin’izao fanombohana izao, noho izany, dia ny Praiminisitra Ntsay Christian no hisantatra ny fanaovana tatitra eo anoloan’ny solombavambahoaka. Hanomboka amin’ny 10 ora ny fifanatrehana.

Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena no hanao tatitra aorian’izay, arahan’ny minisitry ny Filaminambahoaka sy ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Ny minisitry ny Raharahambahiny sy ny minisitry ny Fitsarana kosa no hanao tatitra amin’ny tapany hariva, manomboka amin’ny 3 ora.

Andrasan’ny maro…

Tsiahivina fa tsy nisy ny fihaonan’ny Governemanta sy ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ny taona 2022 teo, noho ny resaka fitsipaham-pitokisana ny Governemanta izay voaresaka tamin’izany fotoana. Izao indray, araka izany, vao hihaona ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka. Fifanatrehana izay andrasan’ny mpanara-baovao fatratra eo anatrehan’ny raharaha mafana maro izay miseho eto amin’ny Firenena, toy ny resaka tsy fandriampahalemana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fiatrehana ny fifidianana, ny lalaon’ny Nosy, ny fahatapahan-jiro ary asa fampandrosoana amin’ny ankapobeny.

Fermer